Tsy manaraka ny lalŕna manan-kery ny didim-pitsarana momba ny raharaha Magro izay manafoana ny fifanarahana fanofana tany teo amin’ny TOP na ny Tiko Oil Product sampan’orinasa eo anivon’ny Tiko sy ny Antenimieran‘ny varotra Antananarivo izay narahan’ny fanidiana ity faritra ity raha ny nambaran’ireo mpisolovava ny orinasa Tiko.
Nanaja ireo fepetra rehetra voafaritry ny fifanarahana tamin’ny taona 1998 ny Top raha ny nambaran’izy ireo satria nahaloa hatrany ny hofan-tany mitentina18 tapitrisa ariary isan-taona izy hatramin’ny taona 2008. Nakarin’ny mpampanofa ho 24 tapitrisa ariary isan-taona anefa io hofany io nanomboka tamin’ny 2009 saingy tsy nanaiky nandoa izany ny Top satria tsy nifanarahan’ny roa tonta io fanondrotana io. «Rehefa feno 10 taona ny fifanarahana dia azo atao ny mampiakatra ny hofan’ny tany saingy tsy mihoatra ny 15% izany. Ny olana anefa dia fanapahan-kevitry ny Antenimiera samirery io nampakatra hofan-tany io fa tsy nifampiresahana ka nampiakatra ny raharaha teny amin’ny fitsarana ny Top», hoy ny Me Radson, mpisolovava ny Tiko. Teo anatrehan’izany dia nangataka fanapahana ilay fifanarahana lavareny maharitra 40 taona ny Antenimieran’ny varotra satria sady tsy mahaloa ny hofan-tany ny Top hoy izy, no tsy misy fanorenana trano fivarotana midadasika koa teo amin’ny tany nampanofainy. Tsy mitombina ny fitoriana, hoy ity mpisolovava ity satria nisy tokoa ny zava-bita nitsangana teo amin’ny faritry ny Magro saingy potika tao anatin’ny indray mipi-maso izany.
Nokianin’ny Me Radson koa ny fanomezan’ny fitsarana rariny ny Antenimieran’ny varotra tamin’ity ady ity izay manitsakitsaka ny fehezan-dalàna mifehy ny ady madio. Nivoaka ny10 martsa ny didim-pitsarana manafona ny fifanaraham-piaraha-miasa ka nahazo alalana hampihatra izany avy hatrany ny antenimieran’ny varotra ary herinandro taorian’io izany hoe ny 17 martsa dia nanaraka ny didy raikitra. Raha araka ny lalàna dia antony roa ihany no antony ahafahana mampihatra didim-pitsarana avy hatrany dia noho ny hamehana sy ny fisian’ny tranga mety hitera-doza izay samy tsy mitombina, hoy ity mpisolovava ity. Nohamafisin’ny Me Hanitra koa fa nihazakazahana ny fanomezana didy raikitra ho an’ny Antenimieran’ny varotra kanefa manana iray volana ny Top hitondra ny raharaha amin’ny Fitsarana ambony. Raha tsy mampiakatra ny Top ao anatin’ny fotoana io izay vao azo atao ny manome ny didy raikitra, hoy ihany izy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.