Actualités

Madagasikara Voakajy Fahombiazana ny taom-piasana 2008-2009 tany Alaotra


  • Talata 13 Aprily 2010


Ny zoma 9 aprily teo, tao amin’ny Hotel Zamameva Ambatondrazaka no nanatanterahan’ny fikambanana Madagasikara Voakajy atrikasa ho fanehoana ny asa vitany nandritra ny taona 2008-2009. Niatrika izao atrikasa izao ny solontenam-panjakana avy amin’ny distrika, kaominina sy ireo rehetra miasa ao anatin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Taorian’ny adihevitra samihafa mahakasika ny fiarovana ny tontolo iainana, indrindra ireo faritra arovana vaovao, dia nanambara Randrianafidisoa Daudet fa afa-po tamin’ny fanatanterahana ny asa tamin’iny taona 2008-2009 teo iny na nisy tamin’ireo toerana iasan’izy ireo aza no misy olana, toy ny any Andranomadio kaominina ambanivohitra Andilanatoby izay zary lasa zohy fieren’ny jiolahy. Fanirian’izy ireo ny hivoahan’ny taratasy fankatoavana maharitra izay mamaritra ireny faritra arovana vaovao ireny. Distrika telo amin’ny dimy any amin’ny faritra Alaotra Mangoro no iasan’i Madagasikara voakajy, distrikan’Anosibe an’Ala sy Ambatondrazaka fiarovana ny Fanihy, distrikan’i Moramanga fiarovana ny sahona mena.

 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JRP na Jeunes Responsable
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

et Patriote Mitsangana hifanolo-tànana

  • Mponina eny amin’ny Akamasoa
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nametraka fitoriana manoloana

  • Fanasohasoana sy fisolelahana be fahatany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Lasa tsipy hoditr'akondro

  • ANTSIRANANA
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Tsy ampy ny solika, misy sahady ny fanararaotana

  • Eliace Ralaiarimanana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Fitiavan-tanindrazana ny

  • Fiaraha-miasa marolafy
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

amin’ny Rosianina

Hijery ny tohiny
FTT