Mikiky miadana ireo antoko miara-dia sy manohana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita ny krizy lalovan’ny firenena amin’izao fotoana izao, ary tsy vitsy amin’izy ireny no mipatitaka tsikelikely.
Farany teo izao, dia nisintaka tao amin’ny Matsilo (Madagasikara tsimialonjafy lovantsika) ireo parlemantera ka namorona fikambanana politika vaovao hivondronana, dia ny Cercle des Anciens Parlementaires pour la démocratie na CAP. Saika ireo depiote nivadika tamin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana izy ireo, miisy 45, nivondrona teo anivon’ny CRTIM (Cercle de Réflexion sur Tanindrazantsika i Madagasikara) dia niofo ho Matsilo dia izao nisintaka lasa namorona ny CAP «pour la démocratie» izao indray, araka ny fanazavan’ny depioten’Amparafaravola teo aloha, Razafindrakotohasimbola. Ny tsy fahamarinan-toerana sy ny fivadibadihan’ny parlemantera toy izao no mampitombina ny ahiahin’ny maro amin’ny tsy tokony hihazakazahana amin’ny fifidianana depiote handrafitra ny Antenimieram-panorenana, hanankinana ny fandaniana ny lalàmpanorenana.
Ho an’ny Matsilo manokana dia efa tsinjotsinjo ihany ny mety ho fipatitahany, indrindra taorian’ny fampiantsoana mpanao gazety nataon’ireo filoha miara-mitantana ny Matsilo, ny jeneraly Razakarimanana Ferdinand sy ny loholona sady filoha lefitry ny Antenimierandoholona teo aloha, Jean Clément. Nanaovan’izy ireo fanamarihana miendrika fanitsiana ny fihetsika ataon’ny Sekretera jeneralin’ny Matsilo, Ranjivason Jean Théodore, izay matetika no misalovana ny andraikitry ny filohan’ny fikambanana. Mety manamarina izany koa ny fisintahan’ireto parlemantera mivondrona ao amin’ny CAP ireto. Mpikambana eo anivon’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, Ranjivason Jean Théodore, sy i Joseph Yoland na Mômy, samy mpikambana eo anivon’ny Matsilo, nisintahan’ny namany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.