Actualités

Lietnŕ kolonely Charles Andrianasoavina Tsy avela hitazona fitaovam-piadiana


  • Alatsinainy 12 Aprily 2010


Nihazakazaka ny fielin’ny vaovao fa tsy avela hitazona fitaovam-piadiana ny lehiben’ny hery vonjitaitra manokana na ny FIS, ny lietna Charles Andrianasoavina. Tonga hatrany amin’ny fikasana hisambotra azy mihitsy aza raha ny feo nandeha hatramin’ny sabotsy sy omaly alahady. Mifamahofaho be ihany ny resaka mikasika ny anton’izany. Ny azo antoka fotsiny dia matoa tonga hatrany amin’ny fangalana ny fitaovam-piadiana eny am-pelatanana tompon’andraikitra ambony amina fiarovana ny resaka dia ao raha.

Olona mafana ra raha ity manamboninahitra ity. Efa hatramin’ny fiandohan’ny taona no mandeha ny feo fa te haka fahefana ny lehilahy. Vao mainka nahazo vahana io resaka io taorian’ny nandehanany tany Evato Vohipeno, nangatahany tsodranon’Ampanjaka tany an-toerana. Mifonofono izany hevitra izany koa ny tao ambadiky ny fijoroany vavolombelona momba ny fiokoana nataon’ny andia-miaramila nanampy an’i Andry Rajoelina, tamin’ny fandrombaham-pahefana, raha niteny tamina radio tsy miankina teto an-drenivohitra izy ny 8 martsa 2010 teo. Niverimberina ity resaka te haka fahefana ity tao anatin’ny fivoriana miafina ataona manambonihatra tato ho ato. Ny sabotsy teo aza dia nihazakazaka ny fandehan’ny vaovao fa nikasa ny hihazo an’Ambohitsorohitra ny lietnà kolonely Charles Andrianasoavina. Tsy fantatra mazava kosa aloha, na haka lapa na te hifanazava amin’ny tompon’andraikitra ao na zavatra hafa mihitsy no handehanany tany, fa ny fahitalavitra Viva, fananan’ny filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, no nitatitra tamin’ny vaovao harivany io sabotsy io ny fisiana feo mandeha amin’ny “mety ho fanafihana ny Lapan’Ambohitsorohitra”, saingy “efa nisy fepetra fanamafisana ny fiarovana”. Ny loharanom-baovao hafa indray no milaza fa “efa niravona ny olana”, fa “efa nifampiresaka ny lehiben’ny etamazaoro, ny jeneraly André Ndriarijaona sy ny lietnà kolonely Charles Andrianasoavina”.

 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT