Hiato manomboka ny 30 jona 2010 ho avy izao ilay tetikasa C.A.C (Centre d’Appui aux Communes) ao amin’ny Distrikan’Antanifotsy vokatry ny disadisa teo amin’izy ireo sy ny Lehiben’ny Distrika ao Antanifotsy. Raha tsiahivina dia tetikasa iray ho fanohanana ireo Kaominina 12 mandrafitra ity distrika ity ny nananganana azy niaraka tamin’ny Kaominina La Possession any La Réunion sy ny Ambasady frantsay izay mpamatsy ny vola. Raha tsiahivina ny niandohan’ny olana dia nanomboka ny faran’ny taona 2009 teo, misy ny Gazety boky "Vary sy Rano", avoakan’ity ivotoerana ity izay natao hifandraisan’ireo kaominina sy ny vahoaka tamin’izany izay tsy namoaka ny sarin’ny lehiben’ny Distrika teo amin’ny Pejy voalohany ka nahatonga azy nisafoaka ary nangorona ireo gazety rehetra sy nandoro izany teo imason’ireo tompon’andraikitry ny ivotoerana. Tao aorian’izay moa dia tsy nahazo nivoaka intsony ilay gazety ary mitohy hatrany ny antsojay ataon’ity lehiben’ny distrika ity ary nitatra any amin’ny sehatra hafa ihany koa. Satria moa ny mpanao gazetin’ny Radio Vary sy Rano no manatontosa ny fanoratana ilay gazety dia lasa tsy maintsy mandalo ny lehiben’ny distrika avokoa manomboka izao ny vaovao avoakan’ity Radio ity araka ny tatitra azo. Marihina fa radion’ny Kaominina Antanifotsy ny Radio Vary sy Rano. Na izany aza dia mbola manohy ny asany aloha ny ivotoerana ka hisy ny fivoriana tsy ara-potoana hataon’izy ireo amin’ireo Ben’ny Tanàna rehetra anio alatsinainy 12 aprily ary hitohy rahampitso talata 13 aprily 2010, hanambarana amin’ireo Ben’ny tanàna ny fifaranan’ny asa ary hisy ihany koa fanofanana amin’ny fitantanana tetikasa iarahana amin’ny Minisiteran’ny fitsinjaram-pahefana ary io ny hetsika farany ataon’izy ireo ao Antanifotsy. Hitombo indray izany ny fahavoazana ho an’ireo Kaominina any Antanifotsy satria dia maro ny fiofanana azon’izy ireo tamin’ny nijoroan’ity ivotoerana ity teo aloha ankoatra ny fanamorana ny fanelanelana maro samihafa anampian’ny ivotoerana azy ireo.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.