Actualités

Lalao Ravalomanana Nahafoy ny ainy hamonjena ny Firenena ny vehivavy malagasy


  • Talata 09 Martsa 2010

Niseho taminny endrika marolafy ny fanamarihana ny 08 martsa, andro iraisam-pirenena ho anny vehivavy teto Madagasikara.

Ho an’ny teto an-drenivohitra dia tao amin’ny kianjan’ny Malacam Antanimena ny fankalazana nasionaly, notarihin’i Mialy Rajoelina. Fampirantiana, hirahira, filatroana no nanamarika ny fotoana. Nifamotoana tany Ambatomanga distrikan’i Manjakandriana namboly hazo indray ny vehivavy avy amin’ny ankolafy Madagasikara. Nandefa hafatra nankahery ny vehivavy i Lalao Ravalomanana. Izay tsy afaka kosa dia nifanotrona sy nifankahery tao amin’ny Villa Elisabeth niaraka tamin’i Thèrese Zafy. 

Ny 7 jona 2009 no nandrenesana farany an-dRtoa Lalao Ravalomanana. Nahatsiaro manokana ny Vehivavy, mpiray tanindrazana aminy izy ny andron’ny 8 martsa, niarahabany ny vehivavy malagasy rehetra tsy an-kanavaka manerana ny Nosy. “Ny havan-tiana tsy mahalavi-tany, ary ny elanelan-tany manamafy ny herim-pitiavana”, hoy izy tamin’ny fanambarana nataony. Nambarany tamin’izany fa miharihary toy ny vay an-kandrina ny fahasahiranana mianjady amin’ny Malagasy, noho ny fotoan-tsarotra lalovan’ny Firenena ankehitriny. Na anisan’ireo tra-pahavoazana mafy indrindra aza ny vehivavy amin’izao fotoana izao, hoy i Lalao Ravalomanana, dia hita fa sahy mijoro mandray andraikitra amin’ny fomba maro samihafa, mba ahitana vahaolana araka ny tokony ho izy, satria «ny Reny Malagasy dia tia ny menaky ny ainy, ka mitsinjo mandrakariva ny taranaka fara mandimby».
 
Nankahery
Nohararaotin’ny vadin’ny filoha Marc Ravalomanana ny fotoana nahafahany nitafa tamin’ny mpiray tanindrazana aminy, nilazany fa manao jery todika momba izay vitan’ny firenena tsirairay avy, tato anatin’ny 15 taona, momba ny fampandrosoana ny anjara toeran’ny vehivavy, ho hery mpamokatra feno, mitovy amin’ny lehilahy, izany no lohahevitra isarihan’ny Firenena Mikambana ny sain’izao tontolo izao, amin’ny fankalazana ity Andron’ny 8 martsa 2010 ity . Mankalaza ny “Beijing + 15” isika, hoy izy amin’ity taona ity, satria feno 15 taona ilay Fihaonambe iraisaim-pirenena momba ny vehivavy natao tany Beijing, tamin’ny volana septambra 1995, izay nametrahan’izao tontolo izao ny soridalana sy soritrasa, ary ny praograman’asa maharitra tokony hotanterahina, na ny “Programme d’Action de Beijing”. Raha ny momba ny vehivavy malagasy manokana, dia nindrana ny Tenin’ny Soratra Masina “Mahareta amin’ny fivavahana” (Kolosiana 4:2), i Lalao Ravalomanana, nizarany ny tao am-pony, fa ny vavaka no manova zavatra. Na eo aza ny fahasahiranana sy ny olana mianjady, hoy izy dia tsy hanariana ny finoana izany.
 
Nampahatsiahy i Lalao Ravalomanana fa ny tantaran’i Madagasikara dia ahitana Vehivavy mendrika sy mahery fo, sahy nijoro tamin’ny finoany. Ry Rasalama, maritiora voalohany teo amin’ny fianakaviamben’ny mpino protestanta sy Victoire Rasoamanarivo, teo amin’ny fianakaviamben’ny mpino katolika. Koa raha mankalaza ny Andron’ny 8 martsa isika, hoy izy dia mahatsiaro ny Vehivavy toy ireny, izay mpialoha lalana antsika, nitolona sy nanokana ny fiainany manontolo, ary nahafoy ny ainy mihitsy hamonjena ny Firenena. Raha mankalaza ny Andron’ny 8 martsa koa isika, hoy izy dia “maneho sady manamafy indray ny fahavononantsika hatrany, hiezaka sy hikiry manoloana ny herisetra sy ny vely kibay, ary ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona sy ny zon’ny vehivavy, manoloana ireo olana sy sakantsakana ary fanilikilihana, mivantana sy an-kolaka, mbola mihatra amintsika, ka tsy ahafahantsika mandray anjara feno eo amin’ny sehatry ny fitantanana sy ny fampandrosoana”.
 
Nohamafisiny fa “raha mankalaza ny Andron’ny 8 martsa isika, dia sady maneho ny firaisankina amin’ny vehivavy eran-tany no maneho aminy, sy manao antso avo aminy, mba hanohana hatrany ny ezaka sy ny tolona ataon’ny vehivavy malagasy, indrindra amin’izao fotoan-tsarotra diavin’ny Firenena izao. Noho ny zava-misy iainantsika, dia miharihary fa tena mpandimby marina ireo vehivavy modely teo aloha tokoa isika vehivavy malagasy ankehitriny. “Tena vato namelan-kafatra sy kolokolo dimbin’ny vary, ary solofo dimbin’ny ala”. Nankahery ny vehivavy rehetra ny tenany amin’ny fahavononana sy fahasahiana mandray andraikitra, ka ny fijoroantsika eo anivon’ny Fokontany, ny Kaominina, ary ny Faritra misy antsika tsirairay avy, dia hampisongadina ny Firenena Malagasy.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • Gérard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • Fiaraha-miasa
  • Zoma 17 Aprily 2026

MEDD-Durrell Madagascar Hampiasa “drones”

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT