Actualités

Lalana Port Berger Diavina ora roa ny ampahan-dalana 8 km


  • Alatsinainy 15 Martsa 2010

Ampahan-dalana mirefy 28 km amn’ny lalam-pirenena faha-6, mampitohy an’i Port Berger sy Mampikony sisa no mampijaly ireo mponina any amin’ny faritra andrefana avaratry ny Nosy iny.

Io lalan-tany io mantsy sisa no tsy vitan’ny fanjakana teo aloha na dia efa nivoaka aza ny famatsiam-bolan’ny Banky Afrikanina momba ny Fampandrosoana (BAD), amin’ny famitana azy ny fiandohan’ny taona 2009. Nafoy anefa izany tetikasa izany rehefa nisy ny korontana teto amin’ny firenena. Tsy misy ny fanajariana ka vao mainka miharatsy hatrany ilay lalana amin’izao vanim-potoan’ny fahavaratra izao. Ampahan-dalana mirefy 8 km amin’io no tena ratsy izay andaniana 1 ora sy sasany ka hatramin’ny ora roa  vao tafavoaka eo aminy. Tsy maintsy mifanampy manosika ny fiara ireo mpandeha rehefa mandalo eo amin’ny fokontanin’ Ampombobitika noho ny fotaka mandrevo. Vao mainka mamotaka ny lalana koa ny fisian’ireo fiarabe. Sahirana ireo fiara madinika izay mpitatitra ny ankamaroany.

Fitadiavam-bola
Ahitana taratra ny fahamarinan’ny fitenenana hoe ny fahorian’ny sasany lasa fifalian’ny hafa raha ny zava-misy ao Ampombobitika. Efa misy andiana tanora am-polony mantsy no
 miandry hantsoina hanosika ireo fiara raikitra anaty fotaka eny an-tsisin-dalana. 5.000 ka hatramin’ny 10.000 ariary isaky ny fiara no alain’izy ireo araka ny halavirana ary zary lasa asa fitadiavam-bola ho azy ireo ity fanosehana fiara ity. Mahangona hatrany amin’ny 30.000 ka hatramin’ny 50.000 ariary isan’andro izy ireo raha ny filazany. Ankoatra ireo tanora ireo dia misy amin’ireo tompon-tany sasany koa no maka vola amin’ireo fiara mandalo amin’ny faritry ny taniny. Raha ny fanazavan’ny mpitatitra dia misy ny lalana vonjimaika nosokafan’izy ireo mba tsy handalovana ao Ampombobitika ka rehefa nahita ny fahamaroan’ireo mpampiasa io lalana vaovao io ny tompony dia nametraka fefy ka izay mahaloa ny haba takiany ihany no mahazo mandeha.
 
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT