Actualités

Krizy mitarazoka : Hangoron’entana ny FMI sy ny Banky Iraisam-pirenena


  • Talata 23 Martsa 2010

Mafanafana ny raharaha politika eto Madagasikara. Vao mainka mihenjana ny tady taorian’ny namoahan’ny filankevi-pilaminan’ny Firaisambe Afikanina ny 17 martsa teo sazy isam-batan’olona miantefa amin’olona miisa 109, sivily sy miaramila manana andraikitra amin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, sakana amin’ny fampiharana ny vahaolana nifanarahana fa hamaranana ny krizy eto Madagasikara.

Namaly bontana ny mpitondra mahefa ary milaza ny hanageja ny kaontin’ireo lohandohany amin’ny ankolafy telo amin’ny banky, tsy hamela azy ireo hivoaka any ivelany, manginy fotsiny ny fisamborana sy famonjana mandeha amin’izao fotoana izao. Manahy be ihany ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola amin’i Madagasikara hatramin’izay, indrindra ny mpamatsy vola iraisam-pirenena mahazatra, satria vao mainka miharatsy ny toe-draharaha, ary mety tsy hilamina ato anatin’ny fotoana fohy. Mandeha ary ny feo fa mety hangoron’entana hiala eto Madagasikara ny Tahirim-bola iraisam-pirenena sy ny Banky Iraisam-pirenena raha mitarazoka ny famahana ny olana. Misy amin’ireo mpiasa eo anivon’ireo sampan’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena ireny no efa nandao an’i Madagasikara tao anatin’ireny fotoana mavaivay nolalovan’ny firenena tamin’ny taon-dasa ireny ary hanara-dia azy ireo ny ambiny. Re fa ao anatin’ny fanaovana tombana farany sy jery todiky ny asa nosahaniny sy izay tokony ho novatsiana vola teto ireo teknisianina eo anivon’ireo mpamatsy vola ireo amin’izao fotoana izao mialoha ny hanapahana hevitra mikasika ny fialana avy hatrany na mbola hiandry aloha. Raha niverina tamin’ny laoniny ny raharaha teto dia nisy famatsiam-bola goavana, mifanahantsahana amin’ny ampahefatry ny tetibolam-panjakana taona 2010, no tokony ho azon’i Madagasikara tamin’ny 10 martsa teo, saingy votsotra izany, noho ny fizirizirian’ny mpitondra amin’izao fotoana izao. Raha toa ka hanapa-kevitra ka lasa tokoa ireto mpamatsy vola ireto dia telo taona raha haingana indrindra aorian’ny fifampiraharahana vaovao indray vao mety hiverina ny fiaraha-miasa. Mandritra izany anefa dia tsy hitsahatra hitaky ny volany, trosa amin’i Madagasikara  izy ireo. Etsy an-daniny anefa dia maherin’ny 70%-n’ny tetibolam-panjakana, indrindra fa ny fampandehanan-draharaham-panjakana, dia iandrasana ny fanohanana ara-bolan’izy ireo.

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT