Hatramin’ny nisian’ny fanonganam-panjakana teto Madagasikara nanomboka ny 2009 dia nirongatra ny famotsiam-bola, araka ny fanazavan’ny Komity RRM-Eoropa.
Mpamatsy vola avy amin’ny Al Qaida sy ireo teratany indo pakistanais, fantatry ny maro hoe karana amin’ny ankapobeny no mitady hangeja ny fiharian-karena eto amintsika, araka ny fanazavana ihany. Ny zava-misy ankehitrinydia mikoriana tokoa ny volabe ary dia lasa hanjakan’ny kolikoly mahatsiravina ny sehatry ny varotra, ny raharaham-panjakana sy ny raharaham-pitsarana, araka ny fanazavan’ny RR Eoropa ihany. Karazana famonoana ara-pihariana ny famotsiam-bola, raha adika tsotsotra. Ankehitriny tokoa mantsy, dia tsy vitsy ireo mpandraharaha sy mpampiasa vola Malagasy no velon-taraina manoloana ny fifaninanana tsy ara-dalàna satria dia misy ny fanagiazan’ireo mpandraharaha karana sasany ny sehatry ny varotra sy indostria. Ho an’ny RR-Eoropa moa, dia ny filoha Ravalomanana ihany aloha hatreto no nahay niaro ireny karazana fampiasam-bola ireny na teo amin’ny samy malagasy na koa tamin’ireo vahiny.
Notsiahivin’ity vondrona ity fa ny zaodahin’ilay mpampihorohoro malaza eran-tany, Ben Laden, Jamal Khalifa dia efa nandraharaha teo amin’ny sehatry ny varotra safira teto Madagasikara. Efa maty voatifitry ny sampan-draharaha vahiny mpanao fanadihadiana izany mpiray tendro amin’ny lehiben’ny mpampihorohoro izany, araka ny taratasy nalefan’ny RR Eoropa ihany. Miantso ny firenena mikambana, Etazonia, ny fianakaviambe eoropeana, ny vondrona afrikanina izy ireo mba hanamafy ny sazy hatao amin’ireo mpanongam-panjakana izay toa manome vahana ny famatsiam-bola sy ny fampihorohoroana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.