Nanamafy ny fisian’ny fikasana fanafihana ny lapan’ny praiministra eny Mahazoarivo hatrany ny lehiben’ny Emmo-Reg, ny kolonely Ravalomanana Richard, omaly, nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety tao amin’ny Toby Ratsimandrava. Nambarany fa tsy sinema araka ny vaovao miely eran’ny tanàna ireny fa tena nisy tokoa. «Tsy mpilalao tantara mihitsy ireny miaramila mivonto maso nitantara ny zavatra saika hataony ireny». Nohamafisiny fa mpanao politika no ao ambadiky ny raharaha izay namatsy vola ny fanonganam-panjakana saika hatao satria tsy manam-bola hanatontosana izany ny miaramila na dia manamboninahitra ambony aza. “Matoa izy ireo afaka nanofa fiara maro telo hetsy ariary isan’andro ny iray dia midika fa misy mpamatsy vola. Misy koa ireo nijoro vavolombelona fa nahita ramatoa iray nitondra volabe tao amin’ny poketrany”. Nomarihiny kosa anefa fa mbola ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka ny raharaha ankehitriny ka tsy afaka manambara ny tenany raha anisan’ireo mpiray petsapetsa ny filoha Ravalomanana sy ny kolonely Andrianjafy Raymond. Olona 21 no voasambotra ankehitriny ka olon-tsotra ny 16, rezervista ny 2 raha manamboninahitra ambony sy manamboninahitra lefitra kosa ny ambiny. Mbola misy koa ireo karohana ankehitriny. Misy amin’ireo miaramila ireo no efa voarohirohy tamin’ireny raharaha fanapoahana baomba tamin’ny taon-dasa ireny raha ny fanazavan’ity lehiben’ny Emmo-Reg ity ihany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.