Actualités

Kolonely Randrianjafy Raymond : Mampitandrina izay mikasa hisambotra azy


  • Talata 20 Aprily 2010

Voatonontonona ho anisan’ny nandray anjara tamin’ny fikasana hanafika ny lapan’i Mahazoarivo ny Hery vonjy taitran’ny zandary na FIGN.

Nisy mihitsy aza ny fanononana ny anaran’ny kolonely Raymond Randrianjafy izay nambaran’ny lietna iray, anisan’ireo voasambotra fa ity manamboninahitra ambony eo anivon’ny FIGN ity no naniraka azy. Manda ankitsirano izany vaovao miely izany ny lehiben’ny Hery vonjy taitra, ny jeneraly Zafera Viennot raha nampiantso mpanao gazety teny amin’ny toby Fort Duchesne omaly. «Tsy nanongam-panjakana ary tsy manan-kevitra ny hanongam-panjakana izahay ato amin’ny FIGN. Tato amin’ny toby avokoa ireo zandary miasa eto omaly. Momba ny kolonely Raymond manokana dia tsy teto an-drenivohitra izy ny alahady teo fa nitsangantsangana niaraka tamin’ny fianakaviany ary efa tamin’ny enina ora hariva vao tafaverina”, hoy ny kaomandin’ny FIGN. Nomarihiny koa fa nandray fepetra avy hatrany ny tenany raha vao nahare ny tranga ny alahady tolakandro tamin’ny alalan’ny fanamafisana ny fiambenana ny toerana fitobian’ny basy sy ireo bala ao amin’ny tobin’i Fort Duchesne. Ho azy dia misy olona manana tombontsoa amin’ny fampiadina ny samy miaramila ka manely tsaho.

Tsy hijanona amin’izao anefa ny tenany manoloana ny zava-misy fa hampanao fanadihadiana ka hisambotra izaytompon’andraikitra amin’ny fanapariahana vaovao mampisavorovoro ankehitriny. Nanamarika koa ny kolonely Raymond Randrianjafy fa tsy manan-kevitra ny hanongam-panjakana ny tenany. “Raha nandray anjara tamin’ izany aho dia tsy matahotra ny hijoro mihitsy. Tsy amin’ny alalan’ny herisetra koa no hanaovana izany fa amin’ny hevitra maty paika”. Aminy dia misy tompon’andraikitra ambony ao amin’ny foloalindahy sy ny FAT miezaka mandoto ny anarany noho izy isan’ireo nitarika ny zandarin’ny FIGN hitaky ny fahamarinana momba ilay lelavola 500 tapitrisa ariary sy ny noho ny fandrosoany soso-kevitra ivoahana amin’ny krizy izay manohintohina ny sasany raha ny fanambarany. Ny kolonely Raymond tokoa mantsy no tompon-kevitra amin’ny fametrahana ny governemanta tantanin’ny miaramila sy sivily sy ny fananganana ny “Haute Cour de Justice” izay nankatoavian’ny ankamaroan’ireo manamboninahitra niara-nivory taminy in-droa miantoana. Soso-kevitra izay natolotra ny filohan’ny FAT teny Iavoloha ka niafara tamin’ny fangatahan’ny foloalindahy tondrozotra mazava hamahana ny krizy. Tezitra mafy moa ny lehilahy manoloana ny fanononana ny anarany amin’ity raharaha ity ka nampitandrina ireo izay mihevitra ny hisambotra azy. Momba ny fifandraisany amin’ny kolonely Rabezandriny indray izay voalaza fa anisan’ny mpiketrika ny fanafihana ny lapan’i Mahazoarivo koa dia nambaran’ny kolonely Raymond fa efa tamin’ny fivoriana teny amin’ny Etamazaoro no nihaonany tamin’ity manamboninahitra ity ny tenany.

Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JRP na Jeunes Responsable
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

et Patriote Mitsangana hifanolo-tànana

  • Mponina eny amin’ny Akamasoa
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nametraka fitoriana manoloana

  • Fanasohasoana sy fisolelahana be fahatany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Lasa tsipy hoditr'akondro

  • ANTSIRANANA
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Tsy ampy ny solika, misy sahady ny fanararaotana

  • Eliace Ralaiarimanana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Fitiavan-tanindrazana ny

  • Fiaraha-miasa marolafy
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

amin’ny Rosianina

Hijery ny tohiny
FTT