Sehatr’asa nanjakan’ny kolikoly ary nitana ny laharana voalohany tamin’ny taona 2009 ny zandarimariam-pirenena, araka ny fanadihadiana nataon’ny Bianco, na ny birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly.
Raha vao miresaka kolikoly dia tonga ao an-tsaina avy hatrany ny resa-bola. Efa niaraha-nanaraka teto ihany ny fizotry ny vaovao momba ilay vola be 500 tapitrisa ariary, voalaza fa nomena ny zandarimariam-pirenena, saingy nakepok’ireo manamboninahitra vitsivitsy. Mety misy ifandraisany amin’iny raharaha iny ve izao maha voalohany ny « bôdega » amin’ny fanaovana kolikoly tamin’ny taon-dasa izao ? Nanambara mantsy ireo manamboninahitra teny amin’ny Hery vonjitaitran’ny zandary (FIGN) eny Fort Duchesne, tamin’ny fotoana mbola nahafahan’izy ireo nampiantso ny mpanao gazety, fa hoe voaporofon’ny Bianco ny fisian’io vola be nomena ny zandary io, ny komandy ambonin’ny zandarimariam-pirenena anefa nanitrikitrika hatramin’ny farany fa tsy nisy io vola io. Ary raha ny fahitana azy, hatreto dia nijanona tamin’izay fanambarana izay ny raharaha fa tsy nisy tohiny intsony na teo aza ny fanadihadiana, ary samy mbola eo amin’ny toerany avokoa ireo tompon’andraikitra samihafa eo anivon’ny zandarimariam-pirenena fa tsy nisy nosoloina, na dia efa nisy ihany aza ny nanambana ny hametra-pialana. Ka inona indray ary no mety hitranga amin’izao fahafantarana fa lohalisitra tamin’ny mpanao kolikoly teto amin’ny Nosy izao ny zandarimariam-pirenena, izay manana ny teny filamatra manao hoe «Tanindrazana sy lalàna» ? Sa efa niova ve ny famaritana ny hoe fitiavan-tanidrazana sy fanajàna ny lalàna ? Manomboka miverimberina ao am-bavan’ny maro eny amin’ireo sehatra maro samihafa indray ity raharaha maha voakasika ny zandary ity amin’izao fotoana, ary manahy ny olon-tsotra fa mbola mety hisy indray atsy ho atsy ny karazana savorovoro aterak’izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.