Actualités

Kidnapping Karana Enin-dahy nidoboka eny Tsiafahy


  • Alakamisy 01 Aprily 2010


Karana indo-pakistanais roa, lahy sy vavy, no nisy naka an-keriny ny 21 martsa lasa teo tetsy Ankadimbahoaka raha sendra nijanona tamin’ny sisin-dalana ny fiara nitondra azy ireo. Votsotra teo am-pelatanan’ireo mpaka an-keriny ihany izy ireo ny alakamisy 25 martsa 2010. Nampandre ny Section des recherches criminelles ao Fiadanana ny fianakaviany.

Rehefa natao ny fikaroham-baovao dia olona enina no niray tetika sy tsikombakomba tamin’ity ‘kidnapping” ity ary samy niaiky ny heloka vitany izy ireo nandritra ny fanadihadiana nataon’ny zandary azy. Voatazona niaraka tamin’izy ireo ihany koa ny fiara mini-bus Mazda sy moto BWS izay nampiasainy.
Samy notazonina any am-ponjan’i Tsiafahy avokoa izy enin-dahy ireto taorian’ny fanolorana azy ny mpitsara mpanao famotorana ny talata teo.
Nangonin-dRabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT