Actualités

Kianjan’ny 13 mey Poa toa izay ny fahatongavan’ny Emmo-Reg


  • Alarobia 07 Aprily 2010

Taorian’ny fandraofana faobe nataon’ireo mpitandro ny filaminana tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey ny alakamisy masina lasa teo dia somary nangingina izy ireo tato ho ato.

Asa na noho ny amin’ny naha andro paska na ny fahatongavan-tsaina fa anisan’ny endriky ny fisiana demokrasia ny fahalalahana maneho hevitra na koa manamafy ny siosion-dresaka milaza fa tsy mandray baiko intsony ireo miaramila. Tato anatin’ny andro vitsivitsy tokoa manko izao, izany hoe hatramin’ny sabotsy lasa teo dia tsy hita tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey ireo miaramila mpiambina ity kianja ity. Omaly koa, dia tsy mbola tazana teny izy ireo. Ireo vahoaka mitaky ny hampiharana ny satan’i Maputo sy ny fifanarahana tovana tany Addis Abeba mba hiverenan’i Madagasikara amin’ny ara-dalàna moa dia mifamotoana eny isan’andro. Rehefa tsy nahita mpitandro ny filaminana àry izy ireo omaly, dia niroso teo afovoan’ny kianja ireo mpitolona. Afaka nanao fifanentanana teny an-toerana izy ireo, ka tao anatin’izany dia nisy ny lahateny fohifohy nataon’ny solontenan’ireo mpitarika. Nisongadina tamin’izany àry ny filazan’i Joachim fa tsy hihemotra ny ankolafy telo na dia eo aza ny fandrahonana sy ny fanampenam-bava, raha tsy tafapetraka ny satan’i Maputo sy Addis Abeba. Tsy fotoana hikorontanana izao, hoy izy fa fotoana kosa hiantsoana ny vahoaka hoe tsy mety io fitondrana amin’izao io. Tsy mitombina ny filazan’ny mpitondrana ankehitriny fa tsy ilaina ny satan’i Maputo sy Addis Abeba satria ireo no fototr’olana. Ny fampiharana ireo ihany no hahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena. Fotoana vitsy monja taorian’ny fivoriana teny Analakely moa dia tonga teny an-toerana indray ireo zandary ao amin’ny Emmo-Reg telo kamio izay nandrava ny fihetsiketsehana.

 
Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • ValĂ©ry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT