Actualités

Kianjan’ny 13 mey Mandatsa ny eny “La Réunion Kely” ny fanitso afefy godorao


  • Alakamisy 15 Aprily 2010

Mihazakazaka mamefy izay faritra malaladalaka eto afovoan-tanŕna ny Kaominina Antananarivo renivohitra.

Raha nanomboka nanao fihetsiketsehana teny Anosy sy ny manodidina ny ankolafy telo nanomboka ny 17 janoary 2010 dia nofefen’ny kaominina sisin-kazo malakilaky ny zaridaina ilany atsimo eo Mahamasina, fa hoe hovolena voninkazo sy ahi-maitso. Izay mandalo eny an-toerana dia samy hahatsikaritra fa telo volana aty aorian’ny namefena azy ngazana ilay toerana. Ankehitriny dia itarina eny amin’ny araben’ny fahaleovantena ny famefena zaridaina. Tsy hazo fa fanitso no fitaovana nampiasaina natao takon-kenatra, fa hoe hamboarina ny zaridaina handraisana ny hetsika hatao amin’ny 13 mey 2010. Nitranga izany rehetra izany taorian’ny fandalovan’ireo mpandraharaha thailandey, nentin’i Monja Roindefo teto, nilaza fa vonona hanamboatra ka hanome endrika vaovao io araben’ny fahaleovantena io. Fa eo amin’ny lafiny sosialy dia fandatsana ny Malagasy monina anaty trano “sachet” eny La Réunion Kely sy eny ambany tetezan’i Behoririka ary koa ny eny ambany Arcade, raha ny eto an-drenivohitra fotsiny, ny fahitana fa dia aleon’ny mpitantana ny tanàna laniana amefena tany malalaka sy iarovana godorao ny fanitso nefa izy ireny tsy manan-kialofana.

 
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JRP na Jeunes Responsable
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

et Patriote Mitsangana hifanolo-tĂ nana

  • Mponina eny amin’ny Akamasoa
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nametraka fitoriana manoloana

  • Fanasohasoana sy fisolelahana be fahatany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Lasa tsipy hoditr'akondro

  • ANTSIRANANA
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Tsy ampy ny solika, misy sahady ny fanararaotana

  • Eliace Ralaiarimanana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Fitiavan-tanindrazana ny

  • Fiaraha-miasa marolafy
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

amin’ny Rosianina

Hijery ny tohiny
FTT