Taorian’ilay fidirana an-keriny nataona andiana miaramila tao amin’ny tranon’ny jeneraly Raoelina, talen’ny fiarovana ny filoha teo aloha, eny Antsakaviro ny alatsinainy teo dia nidiran’izy ireo an-keriny ihany koa ny tranon’ity jeneraly ity tao Ambatofotsy Ambohimalaza.
Tamin’io alatsinainy io avokoa no nitrangan’izany ary samy tamin’ny 11 ora antoandro. Mikasika ny tao Ambatofotsy manokana dia nidina nijery ny trangan-javatra tany an-toerana omaly alarobia ny Amiraly Razafindraleva, lehiben’ny fianakavian’ny jeneraly Raoelina. Fantatra nandritra izany fa miaramila miisa 16 lahy nentina fiara 4x4 roa no niditra an-keriny tao an-tanàna, tsy manana taratasy fahazoan-dalana hisava. Nitsoaka an-daharana ny mpiambina ny tanàna vokatr’izany. Novakian’izy ireo araka ny feo nandeha ny varavarana ary nanjakazakan’izy ireo avokoa izay rehetra azony nanjakana. Mbola ao amin’ilay tanàna izy ireo hatramin’ny omaly hariva, nandalovanay teny. Tsy nisy nahalala ny fahatongavan’ireto andiana miaramila ireto ireo manampahefana tao an-tanàna toy ny Ben’ny tanàna … araka ny fanadihadiana natao, raha tsy taorian’ny feo niely tao an-tanàna. Na izany aza tsy nisy sahy nihetsika izy ireo noho ny fahafantarany fa miaramilan’ny FIS (Force d’Intervention Spéciale) ireto niditra an-keriny ao an-tanànan’ny jeneraly Raoelina ireto. Ny kaomandin’ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena ao Ambohimalaza no nanambara izany taorian’ny resaka nifanaovany tamin’ny kaomandin’ny kaompanian’ny zandarimaria ao Mahamasina. Hiverina hijery ny fivoaran’ny toe-draharaha any Ambohimalaza anio maraina ny Amiraly Razafindraleva ka ho hita izay mety ho tohin’ny raharaha. Ny hany mampanahy mafy ny fianakaviana hatreto dia ny fandrobana mety hihatra amin’ny tranon’ity jeneraly ity any Manjakandriana. Zary fahazaran’ireto miaramila ireto mantsy tato ho ato ny mandripaka ny fananan’ireo olona akaiky na niara-niasa tamin’ny filoha Ravalomanana. Marihina fa tamin’ny volana Febroary taona 2009 nitrangan’ny raharaha nahavaivay teny Ambotsirohitra no efa tsy hita ny jeneraly Raoelina. Nisy mantsy ny feo nandeha tamin’izany fa hosamborina izy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.