Nampiantso mpanao gazety teny amin’ny birao fiasany, teo aloha, eny amin’ny Minisiteran’ny fiarovam-pirenena omaly ny jeneraly Rakotonandrasana Noël.
Nanao fanamiana miaramila mian’ady izy tamin’io, notronin’ireo manamboninahitra ambony mpiara-miasa aminy teo anivon’izany Minisitera izany. Niandry ny rehetra fa zavatra mazava sy mivaingana no hambaran’ity jeneraly ity raha nitondra fanazavana amin’ny zavatra niahiahiana azy ka nitarika ny Fahefana Avon’ny Tetezamita hanilika azy tsy ho mpikambana ao amin’ny governemanta intsony. Akory anefa ny hagagana fa hevitra feno fihambahambana tsy arakaraka ny maha miaramila azy, ary lavitry ny etika miaramila no nambarany. Mbola miandry ny fanapahan-kevitry ny namana na hanohy na hijanona, hoy izy. Nampiany fa misy ny fifanatonana any ho any, ka miandry izany. “Jery atrika”, “aoka”, fanatanterahana an-tsitrapo (sans hesitation ni murmur) ny fiainana miaramila. Tsy izay anefa no hita tamin’ny Jeneraly Rakotonandrasana Noël. Nambarany tamin’ny mpanao gazety koa fa nampiantso azy teny Ambohitsorohitra i Andry Rajoelina, filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, omaly tamin’ny misandratr’andro. Nony teny Ambohitsorohitra dia tsy navela hiditra ny Lapa ny fiarany, nosavaina, nasaina najanona ny finday ary nasaina niditra amin’ny fidiran’ny olon-tsotra indray koa. Tsy nanaiky hanaraka izany fandaminana izany izy araka ny filazany ka niverina namonjy an’Ampahibe, ary nanafatra ny mpiambina nialoha ny hialany teny an-toerana mba hitatitra amin’i Andry Rajoelina ny zava-nisy.
Ho an’ny mpandinika politika dia hafatra mazava no nomena ity jeneraly ity fa olon-tsotra izy manomboka izao raha mankeny Ambohitsorohitra. Fa anisan’ny nanaitra tamin’ny zavatra nambarany dia ny nilazany fa mihoatra lavitra noho ny teo aloha ny ataon’izao Fahefana Avon’ny Tetezamita izao, toy ny fanaovana bontolo. Ny jeneraly Rakotonandrasana Noël ihany raha izany no manome rariny ny hetsi-bahoaka efa herintaona mahery izay, manohitra izao fitondran’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita izao, nefa mahagaga fa iharan’ny hery famoretana. Nolazainy koa fa tsy nivonona ny hanao “directoire militaire” izy ireo, na maro aza ny mangataka izany fa tsy ankatoavin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena izany. Ny fitondrana nisy azy koa anefa tsy ankatoavin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, ka ny lojikan’izay dia mitady vahaolana hafa ; mety ho ny Maputo io, fa tsy nolazainy. Ny zava-nitranga teny Ampahibe omaly no mbola mampiharihary fa tsy milamina ny foloalindahy. Raha mbola io anefa no tsy milamina, dia hisavoritaka eto ny firenena.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.