Actualités

Jean-Marc Châtaigner Ambasadaoron’ny “FAT”


  • Alakamisy 18 Martsa 2010

Herintaona katrotra amin’ity 18 martsa ity no nanitsaka voalohany ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara i Jean-Marc Châtaigner, 45 taona.

Kisendrasendra sa dia efa nomanina, fa niaraka fiaramanidina tamin’i Mialy Rajoelina ity diplaomaty frantsay ity, raha tonga teto Madagasikara ny tolakandron’ny alarobia 18 martsa 2009, ny ampitson’ny nanomezan’ny miaramila nanda ny hametrahana ny fitondrana miaramila, taminy ny fahefana. Nitsena azy ireo teny Ivato i Andry Rajoelina, niaraka tamin’ny andia-miaramila mpikomy niaro azy. Ny alakamisy 19 martsa, ampitson’ny nahatongavany teto Madagasikara, dia nihazo an’Ambohitsorohitra nitsidika ara-pomba fifanajana sady niarahaba an’i Andry Rajoelina i Jean-Marc Châtaigner, na dia anisan’ireo firenena nanameloka ny fanonganam-panjakana niseho teto aza ny fanjakana Frantsay nanendry azy ho ambasadaoro hiasa sy honina eto Madagasikara.

I Jean-Marc Châtaigner no hany diplaomaty tokana nanolotra tamin’i Andry Rajoelina, ny taratasy manendry azy ho ambasadaoro frantsay miasa eto Madagasikara, nisolo toerana an’i Gildas Le Lidec. Ny alatsinainy 10 novambra 2009, taorian’ny fahavitan’ny fifanaovan-tsonia ny fifanarahana tovana tany Addis Abeba, naneken’ny ankolafy politika rehetra fa i Andry Rajoelina no filohan’ny tetezamita, no nihazakazaka nanolotra izay taratasy fanendrena azy izay i Jean-Marc Châtaigner. Nandritra ny fito volana teo izany, dia diplaomaty «miklandy» ity frantsay ity. Tsy nanakana azy hiseho vatana sy nitety an’i Madagasikara anefa izany, ary imbetsaka koa no nanatona ny ankolafy politika voakasiky ny krizy, tao anatin’izany dia tsy vitsy no nanondro azy ho ambasadaoron’ny “FAT”.

 
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT