Actualités

Ivato Centre - Ambositra Nisy helikôptera tsy fanta-pihaviana


  • Alarobia 24 Martsa 2010


Ny 21 martsa 2010, dia nisy helikôptera iray nentina frantsay tonga tao Ivato Centre, distrikan’Ambositra faritra Amoron’i Mania. Olona efatra, miaraka amin’ny mpanamory, no tao anatiny. Rehefa nanao ny fisavana ny zandary tany an-toerana dia hita fa tsy manana taratasy fahazoan-dalana  hisidina izy ireo. Araka ny filazan’ireo mpandeha dia mbola any amin’ny ACM (Aviation Civile de Madagascar) io fahazoan-dalana hisidina io. Hitady vatosoa sy hiaro ny tontolo iainana manodidina an’Ambatofinandrahana sy Ivato Centre no tena anton-diany. Tsy manana fahazoan-dalana hitrandraka izany ihany koa anefa izy ireo. Manara-maso akaiky ity fiaramanidina ity ny zandary ao amin’ny kaompania Ambatofinandrahana.

Nangonin-dRabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • ValĂ©ry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT