Actualités

Hopitalin-jaza Tsaralalŕna Nilatsaka ny sazy ho an’ireo mpitsabo mpanampy


  • Zoma 09 Aprily 2010

Nilatsaka ny sazy. Mpitsabo mpanampy miisa 15 miasa eo anivon’ny hopitalin-jaza etsy Tsaralalŕna no nahazo fangataham-panazavana avy amin’ny fitondram-panjakana momba ny antony tsy hiasan’izy ireo omaly.

atramin’ny fiatombohan’ny hetsik’ireo mpiasan’ny fahasalamana tamin’ny tapaky ny volana janoary, izany hoe efa telo volana izao izy ireto no tsy niasa intsony raha ny fanazavan’ny iray amin’izy ireo. Izy ireto izany no misantatra ny sazy avy amin’ny fitondram-panjakana taorian’ny fandrahonan’ny minisitry ny asam-panjakana Noelson William tamin’ny herinandro ambony ary nohamafisin’ny praiminisitra lefitra misahana ny fahasalamana, ny profesora Tehindrazanarivelo Alain afak’omaly. Dingana voalohany amin’ny sazy ity fangataham-panazavana ity fa raha tsy mbola mamonjy ny asany izy ireo dia miroso amin’ny fanapahana ny karama ny fanjakana.

Nanamarika ny andro omaly kosa ny fakan’ireo mpiambina enina mirahalahy ny HJRA ny lamba misy sorabaventy fampiasan’ireo mpitsabo mpanampy. Ny lehiben’ny hopitaly no nambaran’izy ireo ho naniraka azy hanao izany raha nanontanian’ireo mpitsabo mpanampy izy ireo. Tsy nisy anefa ny fifandonana na izany aza. Tetsy amin’ny trano fiterahana Befelatanana indray dia novorian’ny tale ireo mpitsabo mpanampy miasa ao an-toerana ary noterena hiasa saingy nanda izany izy ireo. Ho setrin’izany dia nandray fanapahan-kevitra ireto farany fa tsy hiasa ary tsy hisy na dia ny mpiandry raharaha na «service minimum” aza raha ny fanazavan’i Tsialofana. Nanao diabe nihazo ny trano fiterahana Befelatanana ihany koa moa ireo mpitsabo mpanampy rehefa avy nivory tetsy amin’ny HJRA. Rehefa avy naka ireo namany miasa amin’ity toeram-pitsaboana ity izy ireo dia niampita teo amin’ny ivotoerana manofana ho mpitsabo mpanampy sy mpampivelona ary nandrava ny fampianarana.
 
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT