Actualités

HJRA Ampefiloha: Nandriaka ny ra


  • Alakamisy 01 Aprily 2010

Tsy mbola fahita ny zava-nisy teny amin’ny hopitaly HJRA omaly antoandro. Nandriaka mantsy ny ra teny an-toerana.

Samy naka ra avokoa ireo mpiasan’ny fahasalamana ary nanoraka izany tamin’ny fitaratra sy rindrin’ny hopitaly. Nisy ihany koa ireo nampiasa izany hanoratana sorabaventy momba ny fitakian’izy ireo. Santionany amin’ny soratra hita teny ny hoe: «Vonjeo ny Paramed” sy ny hoe “Aza avahana ny samy mpiasan’ny santé”. Hopitaly mihoson-dra moa no anarana nomen’ireo mpiasan’ny fahasalamana iny hetsika omaly iny. Raha ny fanazavan’i Tsialofana dia hanehoana ny tsy fahafalian’izy ireo ny fanapahan-kevitry ny fanjakana izay lazainy ho manao tsinontsinona ny fitakiany no antony. Nanamafy kosa i Marcellin Razafimahefa fa «midika fanaovana fatidra ireny ka na inona hidona na inona hitranga dia miaraka hatrany izahay sady vonona hiatrika izany». Nomarihin’ireo mpitarika ny hetsika tokoa mantsy fa mety hisy ny fanapahana ny karamany sy ny fisamborana azy ireo raha ny fahitany ny fihetsiky ny mpitondra nihaona tamin’ny solontenan’izy ireo ny talata hariva lasa teo teny Ambohitsorohitra.

Toy ny mahazatra dia nifamotoana tetsy amin’ny HJRA omaly ireo mpiasan’ny fahasalamana ankoatra ny mpitsabo izay efa niato ny fitokonany. Nanao tatitra ilay fihaonana niaraka tamin’ny filohan’ny FAT, ny praiminisitra, ny minisitry ny vola, ny sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny FAT tamin’ny namany mpiara-miasa aminy ireo solontena teny Ambohitsorohitra. Nahatohana sy nahatezitra ireo mpivory ny tatitra henon’izy ireo omaly io. Nanambara mantsy i Andry Rajoelina tamin’izany, raha ny fitantaran’i Marcellin Razafimahefa, fa tsy afaka hanome mihitsy ny fampiakarana ny mari-karaman’ny mpitsabo mpanampy sy ny mpiasa misahana ny fampandehanan-draharaha ny fanjakana. Ny fahitana ireo marary tsy voadidy noho ny fitokonan’ny mpitsabo no antony nanekena ny fampitoviana lenta ny mpitsabo amin’ireo «Administrateurs Civils» raha ny nambaran’ny filohan’ny FAT ihany.
 
Nilaza koa ny minisitry ny vola fa aleon’ny fanjakana manamboatra ny mari-karaman’ny mpiasam-panjakana rehetra izay mitentina hatrany amin’ny 150 miliara Ariary toy izay manome 27 miliara ariary ho an’ireo mpiasan’ny fahasalamana. Noraisin’ireto farany ho fihantsiana avokoa izany rehetra izany satria ho azy ireo dia tsy mahavita ny asa samirery ny mpitsabo. Noporofoin’ireo mpitsabo mpanampy avy hatrany fa tsy azo ihodivirana amin’ny sehatry ny fitsaboana ihany koa izy ireo. Nisy ny fampiatoana tamin’ny fotoana farany ny fandidiana zazakely herintaona voan’ny «pied bot» sy tovolahy 24 taona, tapa-pe. Efa tao anatin’ny efitrano fandidiana tao amin’ny sampandraharaha miandraikitra ny fandidiana ny taolana izy ireo no nasaina nivoaka satria nanda tsy nety niasa ny mpampatory na anesthésiste. Fanin’efany moa izy ireo no efa saika hodidiana saingy izao nahemotra izao indray. Miantso ny mpitondra fanjakana sy ireo mpiasan’ny fahasalamana hifampidinika ny fianakavian’ireo marary, araka izany.
 
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina Ambohiperivoana
  • Talata 21 Aprily 2026

Mitokona mitaky ny fialan'ny

  • 10 VOLANA ATY AORIANA
  • Talata 21 Aprily 2026

Mbola misitery tanteraka ny raharaha Ambohimalaza

  • FOMBA FANAON’NY TEO ALOHA
  • Talata 21 Aprily 2026

Io fa mitady hiverina ilay hoe : « Merci Président »

  • Kaominin’Ambatomarina
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila angovo azo avaozina,

  • JRP na Jeunes Responsable
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

et Patriote Mitsangana hifanolo-tànana

  • Mponina eny amin’ny Akamasoa
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nametraka fitoriana manoloana

Hijery ny tohiny
FTT