Tonga aminny tsotsori-mamba isarahana ny mpiasanny fahasalamana sy ny fitondram-panjakana.
Ahiana ny mety hikatonan’ireo toeram-pitsaboana rehetra manerana ny Nosy, indrindra fa ny eto an-drenivohitra izay tena misy ireo mpitokona mafana fo na amin’ireo mpitsabo izany na amin’ireo mpitsabo mpanampy sy mpiasa miandraikitra ny fampandehanan-draharaha. Hentitra ny fanapahan-kevitr’ireo mpitsabo ny alatsinainy teo nandritra ny fivoriambeny izay nametraka ny «journée sans médecins» na andro tsy hisy mpitsabo hiasa raha adika amin’ny teny malagasy. Nomarihina manokana tamin’io fotoana io fa tsy hisy hiasa ireo mpitsabo manerana ny Nosy na dia amin’ireo sampandraharaha saro-pady toy ny vonjy aina aza. «Tsy mihemotra intsony isika raha tsy vita sonia ny famerenana ny hasin’ny mpitsabo araka izay notapahana teny Ambohitsorohitra» araka ny fanambarana navoakan’ny Comité Ad’hoc. Hifamotoana etsy amin’ny hopitaly Joseph Raseta Befelatanana (HJRB) izy ireo manomboka amin’ny 9 ora maraina. Andrasana izany raha hanaraka izay toromarika izay avokoa ireo mpitsabo. Mitohy amin’ity alakamisy ity koa ny fitakian’ireo mpitsabo mpanampy sy mpiasa miandraikitra ny fampandehanan-draharaha izay manizingizina ny hanomezana azy ireo sata manokana ihany koa. Niavaka tsy toy ny mahazatra moa ny hetsik’izy ireo omaly alarobia. Rehefa tafavory teo anivon’ny HJRA avokoa ny mpiasa dia nirohotra nankeny amin’ny «maternité» Befelatanana sy ny HJRB naka ireo namany. Manomana hetsika manokana ihany koa izy ireo ho an’ny anio.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.