Actualités

Hevitry ny olona Mety ve ny mitazam-potsiny ny raharaham-pirenena ?


  • Alarobia 24 Martsa 2010


Na dia hita soritra mazava aza ny fivakisana roa eo amin’ny Malagasy raha ny resaka fironana politika no resahana, izany hoe ny mpiara-dia amin’ny HAT sy ny mpanohitra azy mivondrona eo anivon’ny ankolafy 3, dia marobe ihany koa no tafiditra ao anatin’ilay antsoina hoe maro an’isa mangina tsy maneho hevitra, na  “majorité silencieuse». Tahaka ny hoe : manara-maso ny fandehan’ny raharaham-pirenena fotsiny izy ireo fa tsy miditra mivantana amin’ny fanehoan-kevitra na fanohanana ankolafy izatsy na izaroa. Nisy ny resaka nifanaovana tamina olom-pirenena vitsivitsy, ka nangatahana ny hevitr’izy ireo manoloana ny fanontaniana manao hoe : mety ve aminao ny mijanona ho mpitazana fa tsy maneho hevitra no sady tsy mandray anjara amin’izao zava-misy eto amin’ny fiainam-pirenena izao, izany hoe mijanona ao anatin’ny maro an’isa tsy maneho hevitra ? 

Tahiana, mpiasan’ny banky : «kihon-dalana lehibe ho an’ny firenena izao zavatra mitranga eto izao, ka amiko dia tokony hijoro avokoa ny olom-pirenena fa tsy hitazam-potsiny izany. Tsy mety amiko ilay hoe tsy momba ny atsy na ny aroa. Mbola mahantra isika ka mila miasa mafy, mila manampy ny fanjakana na manoro hevitra azy, na manakiana azy ny olom-pirenena tsirairay. Io mipetra-potsiny sy tsy sahy milaza hevitra io anie no efa nahataraiky antsika hatramin’izay e ! Aleo manana foto-kevitra ijoroana fa tsy manara-drenirano fotsiny».
 
Nirina, mpivarotra : «Efa tena be loatra ilay sangodim-panina politika ka izay no mahatonga ny olona sasany, tahaka anay, hiraviravy tanana indraindray. Ekeko mihitsy fa tsy takatry ny sain’ny rehetra ny politika, fa ny mpanao politika ihany no tena mahay azy, saingy na izany dia tokony mba miova fomba fisainana amin’izay ny mpanao politika malagasy. Amin’izay angamba, mazoto mandray anjara mivantana amin’ny fiainam-pirenena ny olona e !»
 
Njaka, mpiasam-panjakana : «Tena azoko antoka fa ho latsaka ambany be tahaka ny nitranga tany Frantsa tamin’ilay fifidianam-paritra farany teo, ny tahan’ny fandraisan’anjara eto amintsika, raha miroso manao fifidianana samirery ny HAT. Misy zavatra mbola mila alamina izay vao manapa-kevitra ny handray anjara mavitrika amin’ny raharaham-pirenena ny ‘majorité silencieuse’. Ny olona koa anie mety sahirana amin’ny fitadiavana ka tsy mivaky loha intsony amin’ny politika e ! Hitokona ianao, dia hosamborina ary higadra avy eo. Dia ahoana ny famelomana ny vady aman-janaka ?»
 
Anja, legalista : «Samy manana ny eritreriny ny olona, fa ho ahy fotsiny aloha, dia tsy maintsy mandray anjara amin’ny famerenana ny ara-dalàna aho, no sady hitondra ny anjara birikiko amin’ny fandrodanana ny jadona. Miasa aho, ary mandoa hetra amin’ny fanjakana, ireny hetra ireny anie no ataon-dry zalahy fanangonam-bola hamenoana ny paosiny izao e ! Izany ve dia ekena moramora fotsiny ? Manan-janaka koa aho, ho lehibe ireo rahatrizay, dia hanao ahoana moa ny hoaviny sy ny mety ho fiainany raha olona mpandroba no andeha hanabe sy hitantana azy na avela robain’ny mpanjana-tany teo aloha ny harem-pirenena rehetra eto ? Dia inona moa no hovantanin’ny taranaka faramandimby amin’izany ? Tany ngazana sy fahapotehana ary hanohanana ve ? Izany no antony tsy maintsy hitolomana sy hanehoan-kevitra, araka ny fandinihako azy».
 
Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • Gérard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • Fiaraha-miasa
  • Zoma 17 Aprily 2026

MEDD-Durrell Madagascar Hampiasa “drones”

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT