Samy manana ny ambarany manoloana ny fanapahan-kevitry ny Firaisambe Afrikanina manasazy ireo sakana aminny fampiharana ny satani Maputo sy Addis Abeba izay nanontaniana.
109 ireo voasazy, raha ny omaly.. Ny tsy fahazoana mivezivezy any ivelany, ny fanagiazana ny kaontim-bolan’izy ireo any ivelany ary ny tsy fahazoana fanomezan-dalana hiatrika fivoriana iraisam-pirenena no sazy mihatra amin’izy ireo. Ho an’ny mpikambana eo anivon’ny FAT moa dia efa mazava ny fahitan’izy ireo izany hoe sazy izany.
Ramakavelo Désiré, FAT: “Na hisy aza ny sazy dia tsy mihatra avy hatrany izany fa mandalo any amin’ny filankevi-pilaminan’ny Firenena Mikambana. Koa raha misy firenena, na iray aza hitsivalana, dia tsy azo hampiharana izany. I Chine, ohatra, tsy mbola naneho ny heviny momba an’i Madagasikara mihitsy. Zava-dehibe ny firaisankinan’ny samy Malagasy, ny olona handalo fa ny firenena no hitoetra.”
Hanta Randriamandranto: “Indrisy fa nilatsaka ny sazy, tsy mendrika an’izany i Madagasikara. Tsy nisy nangataka ny hosaziana na hilatsahan’ny sazy kanefa moa dia izao. Ratsy tena ratsy io sazy io satria hiditra anaty fahirano isika. Handeha miandalana io, ary vetivety dia hiampita any amin’ny Vondrona eoropeanina. Izao isika efa mangirifiry, fa afaka iray volana any tena mbola ho henjana, tsy ho zaka. Firenena voasazy, mpitondra voasazy, inona no azo antenaina amin’izany ? Inona no vahaolana hivoahana amin’izao krizy izao ? Iza no mahazo tombony amin’izao ? Mampitomany kanefa azo navotana. Raha ny fijeriko dia vao mainka isika harefo be, hitady vola etsy sy eroa. Rehefa mahantra isika dia tsy hisy izany fiandrianam-pirenena izany ary dia mora ny manararaotra noho izay fahantrana izay.”
Lala Rasendrahasina, mpitandrina : tsara rehefa nitana ny teniny ny Vondrona Afrikanina. Aoka koa ny rehetra hitana izay nifanekeny. Izany ihany no vahaolana.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.