Actualités

Hevitry ny mpamaky “CENI tsy azo kianina no azo antoka fa hahomby tanteraka”


  • Alarobia 21 Aprily 2010


Iarahan’ny rehetra manaiky fa ny fifidianana no hivoahana amin’ny olana politika misy eto Madagasikara ankehitriny. Aoka ho fahombiazana tanteraka no hita amin’ny fifidianana mba tsy hitsaharan’ny olana politika fa hanombohan’ny olana avy amin’ny fifidianana. Manana andraikitra goavana anatin’ny fifidianana ny CENI (Vaomieram-pirenena mahaleotena momba ny fifidianana) satria izy no hiantoka eo anivon’ny firenena malagasy sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena fa malalaka, madio, mangarahara ny fifidianana, izany hoe : taratra marina ny tena safidin’ny vahoaka.

Tsy azo kianina ny CENI raha hita taratra amin’ny fitsanganany ny Vaomiera-Firenena-Mahaleotena-Malalaka-Madio-Mangarahara. Ny amin’ny “vaomiera” dia tsy voatery ho maro ny mpikambana ao, araka ny maha vitsy azy ireo no hahamora ny fomba fiasany. Mikasika ny “firenena” indray dia ezahana ho voasolo tena ao ny ankamaroan’ny faritra ary hitovy isa ny vehivavy sy ny lehilahy (ezaka ireo fa tsy fepetra tsy maintsy harahina). Ny amin’ny hoe “mahaleotena” dia mba hanakanana ny teritery samihafa dia aoka ao amin’ny CENI tsy hisy olona misolo tena ankolafy politika, olona nanana na manana andraikitra politika, olona “mamofompofona” politika ka mety hampiasain’ny mpanao politika. Tsy misy ahiahy ny amin’io fa tsy lany olomanga sy olomarina i Madagasikara. Ny hoe “malalaka” indray dia izay olona mahafeno ny fepetra ary vonona dia mahazo milatsaka hofidiana ho mpikambana ao avokoa. Tsy voatery ho filohana fikambanana na holafitra no ho ao. Ary ny “madio” dia voaporofo fa madio anatrehan’ny lalàna sy amin’ny fiarahamonina ny mpikambana. Fa ny zava-dehibe dia ny amin’ny “mangarahara”, izany hoe : fidiana fa tsy tendrena ny mpikambana. Mazava sy fantatry ny rehetra ny fomba filatsahana hofidiana, ny fomba hanaovana ny fifidianana, ny toerana sy fotoana hanaovana izany. Hatrehan’ny mpanao gazety izay asaina avokoa ny fifidianana ary hanaovan’izy ireo tatitra amin’ny vahoaka amin’ny haino aman-jery.

Hisorohana ny resabe lavareny tsy mitera-bokatsoa, dia heverina fa mirindra ary mifandanja kokoa raha toy izao ny mpikambana sivy ao amin’ny ceni : avy amin’ny Fikambanana misahana ny fanaraha-maso ny fifidianana (lehilahy), Fikambanana misahana ny fanaraha-maso ny fifidianana (vehivavy), Fikambanana miaro ny zon’olom-belona, Fikambanana misahana fanabeazana ho olom-pirenena vanona, Holafitry ny “Administrateurs Civils”, holafitry ny Mpanao Gazety, holafitry ny mpitsara, holafitry ny mpisolovava ary Solontenan’ny mpampianatra mpikaroka mikasika ny lalàna. Ka rafitra mijoro ara-panjakana, velona sy am-perinasa tamin’ny 01 janoary 2010 no raisina.
Eo koa ireo “olona fakan-kevitra” toy ny tompon’andraikitra ambony ao amin’ny Minisiteran’ny Atitany, ireo manampahaizana manokana iraisam-pirenena, indrindra avy aty Afrika momba ny fifidianana ary teratany malagasy manampahaizana manokana amin’ny sehatry ny lalàna, ny fifidianana, ny fiarahamonina, …

Nirimarina, 17 aprily 2010
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JRP na Jeunes Responsable
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

et Patriote Mitsangana hifanolo-tĂ nana

  • Mponina eny amin’ny Akamasoa
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nametraka fitoriana manoloana

  • Fanasohasoana sy fisolelahana be fahatany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Lasa tsipy hoditr'akondro

  • ANTSIRANANA
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Tsy ampy ny solika, misy sahady ny fanararaotana

  • Eliace Ralaiarimanana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Fitiavan-tanindrazana ny

  • Fiaraha-miasa marolafy
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

amin’ny Rosianina

Hijery ny tohiny
FTT