Actualités

Hevitry ny mpamaky : Ahoana ihany ianareo mpanao gazety ireto e ?


  • Alakamisy 25 Martsa 2010

Tsy afa-misaraka amin’ny tantara sy ny tolona politika lalovan’ny firenena ianareo mpanao gazety na ny mpiasan’ny haino aman-jery amin’ny ankapobeny.

Miara-mahatadidy daholo ny zava-nitranga teto tamin’ny andron’ny PSD, ny Arema, ny Undd ary ny Tim angamba ny maro amintsika mpamaky. Nisy fotoana tena nahitana mpanao gazety niditra lalina tamin’ny fiandaniana politika, ka na izy niaraka tamin’ny mpitondra na izy nilahatra tamin’ny mpanohitra. Izay angamba no atao hoe demokrasia sy ny fahalalahana ka dia tsy asian-teny be loatra. Raha tafahoatra kosa anefa ny fiandaniana na ny fanoherana, dia tsaroana fa tsy nisy intsony ny fanajana ny soatoavina sy ny lalàna moraly mifehy ny fanaovana io asa io. Raha mamaky ny lahatsoratra an-gazety sasany izahay, na mihaino ny famakafakana politika re amin’ny onjam-peo sy fahitalavitra, dia tena faran’izay malahelo dia malahelo tokoa.

Fandokafana zato isan-jato ny fitondrana ankehitriny sy ny fanaratsiana bontolo izay rehetra nataon’ny fitondrana teo aloha ny maro aminy. Aminay, izany atao ho mpanao gazety izany dia tsy mpilaza vovao fotsiny fa mpanabe ihany koa, ka ny vaovao sy ny hevitra avoakany dia tsy tokony hanadino io lafiny fanabeazana io. Mety ho diso angamba izany hevitray izany, ka asa ianareo mamaky fa izany aloha no hevitray. Ity misy ohatra iray omenay : ny jiolahy mpandroba sy ny mpangalatra ary ny mpamono olona tratra ambodiomby dia takonana tsy ho hita ny masony rehefa alaina sary ka avoaka gazety. Fa miara-mahatadidy kosa angamba isika rehetra, fa nisy roa na telo ny gazety namoaka ny sarin’ny olona lazaina ho “nanapoaka baomba”. Nodian-tsy fantatra ilay atao hoe “présomption d’innocence” fa dia navoaka manontolo izay voalaza momba azy tao amin’ny kara-panondrony : ny anarany, ny ray aman-dreniny, ny toeram-ponenany… Ka dia mametra-panontaniana izahay : ahoana ihany ianareo mpanao gazety ireto e ?

 
A.A.R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT