Actualités

Hetsika kara-panondrom-pirenena Anjakan’ny hosoka sy kolikoly hatreny amin’ny Fokontany


  • Alatsinainy 15 Martsa 2010

Efa roa herinandro izay, voatery najanona ny hetsika kara-panondrom-pirenena tao Antsiranana, renivohitry ny faritra DIANA.

Lasa fitaovana anaovan’ireo sefo fokontany sasany kolikoly ny fikarakarana azy io. Nanentana ny olona ireo sefo fokontany nefa nisy nanararaotra. Mampiahiahy ny tranga tao amin’ny fokontany SCAMA sy Tanambao Sud, izay fokontany maro vahiny tsy manan-taratasy ara-dalàna rahateo. Tafakatra 300 mahery ny antontan-taratasy nangataka kopia sy kara-panondro tao amin’ny fokontany SCAMA, raha 500 mahery tao Tanambao Sud. 10 ka hatramin’ny 20 teo ihany anefa tany amin’ireo fokontany ambiny amin’ny 24 ao an-tanàna. Misy raha ao, hoy ny fiteny. Inona tokoa, nahazo kara-panondrom-pirenena Malagasy mora foana ireo teratany vahiny tao an-tanàna, izay Kaomorianina ny ankamaroany.

Toa manamarina izany ny kabarin’i Totomarovario tamin’ny fivoriamben’ny mpianatry ny fakiolten’ny teny aman-tsoratra ao amin’ny oniversite Antsiranana ny herinandro lasa teo, nilaza fa : “ny mpianatra teratany vahiny nahazo kara-panondro malagasy dia entina any amin’ny fandraharahana ny sekoly hodinihina”. Io ary izy, nisy nahazo kara-panondro malagasy ireo teratany Kaomorianina mandranto fianarana ao Lazaret. Sahirana ankehitriny ny oniversite mamaha io olana io. Nanararaotra ity hetsika kara-panondrom-pirenena ity ireo, toy ny mpianatra kaomorianina sy ireo nipetraka an-tsokosoko na “clandestin” tao an-tanàna mba hahavitany ny azy. Miely ao an-tanàna ny feo, fa nisy nandoa efatra hetsy ariary isan’olona, ireo vahiny ireo, nahazoany kara-panondrom-pirenena malagasy. Voatery nanajanona ny fangalana ireo fangatahana hanao kopia sy kara-panondro ny lefitry ny sefo distrika, noho io trangan-javatra io. Tsy fanomezana fizakana zom-pirenena malagasy ny hetsika kara-panondro, hoy i Jao Michel, delege. Tetsy an-kilan’izay koa anefa dia nimenomenona ireo mpiasan’ny distrika manantanteraka io hetsika fanomezana kara-panondrom-pirenena malagasy io hatramin’izay satria mahatsiaro ho miasa jamba rafozana, hono. Toa tsy naharaka ny vola nomen’ny minisitera, ny ranomainty koa lany, nefa ny taratasim-pangatahana mbola mivangogo. Voatery naato aloha, vokatr’izany, ny fandraisana ireo fangatahana avy eny amin’ny fokontany, voakasik’izany ny an’Ambohimintsinjo sy Ambalakazaha.

Ankoatra ny trangana kolikoly dia tsikaritra koa ny hosoka amin’ity fanamboarana kara-panondro ity. Mbola tao Antsiranana ihany, dia nijoro vavolombelona ny sefo fokontany Ambohimintsinjo mikasika io. Nisy tovovavy vao feno 16 taona nitondra kara-panondro vita tamin’ity taona 2010 ity tao aminy, mba hakana fanamarinam-ponenana. Nilaza ilay tovovavy fa hanokatra kaonty amin’ny banky no antony ilany io fanamarinam-ponenana io. Tovovavy manana fifandraisana ara-pitiavana amina vahiny no fahitana azy. Fa ahoana no misy zaza tsy ampy taona mahazo kara-panondrom-pirenena ? Ohatrinona indray no mahavita izany ? Firy ireo zaza tsy ampy taona efa nahazo kara-panondro amin’izao, sa izay no ihazakazahan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita hanaovana fifidianana ity ?

 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT