Mila ho isan’andro vaky no andrenesana fitarainana vokatry ny asan-dahalo sy fahaverezana omby amin’ny faritra maro manerana ny Nosy. Ary vao mainka mitombo izany tao anatin’ny herintaona izao.
Eo no mampametra-panontaniana ny amin’ireo helikoptera, karazany “Alouette II AS 318 C”, efatra nampanantenain’i Andry Rajoelina hanampiana ny foloalindahy, ny zandary indrindra indrindra, hampihenana ny asan-dahalo hatrany amin’ny 60%. Piesy nalaina tamina helikoptera efa niasa, tsiahivina ihany, no nakambana namelomana azy ireo, ary natolotra ara-pomba ofisialy ny tafika teny amin’ny BANI teny Ivato ny sabotsy 27 martsa 2010, na dia fandraisana vonjimaika ihany aza satria toa misalasala amin’ny hampiasana ireo fitaovana ireo ny eo anivon’ny foloalindahy. Iray volana aty aorian’ny nandraisana ireo fitaovana ireo, tsy nisy sidina nataony na indray maraina aza fa toa iandronan’ny vovoka fotsiny. Ny manahirana koa dia saropady ny fitaovan’ny foloalindahy nefa dia any amin’ny sivily no ipetrahan’ireto helikoptera ireto satria ampiasain’ny Karana ny fotodrafitrasan’ny miaramila tokony hipetrahany. Raha ny nambara nandritra ny fanolorana ireo helikoptera ireo ho an’ny foloalindahy dia vola mitentina 740.740 euros (roa miliara ariary eo) no lany tamin’ny fividianana azy, ka ny orinasa Malagasy, ny “Madagascar Helicopter”, izay mifandray amin’ireo orinasa any ivelany no nahazo ny tolo-bidy.
Ny loharanom-baovao hafa mahalala tsara ireto helikoptera indray anefa no mitatitra fa 173.913 euros (480 tapitrisa ariary) no nividianana “lot” iray misy helikoptera miisa valo avy any Belzika any, natao fakana piesy nahafahana nanangana helikoptera efatra azo ampiasaina. Raha atao ny kajikajy dia 21.739 euros na manodidina ny 60 tapitrisa ariary eo no vidin’ny helikoptera iray tamin’ireo. Koa raha raisina ilay 740.740 euros nambara fa vidin’ireo helikoptera ny sabotsy 27 martsa, dia 185.185 euros (510 tapitrisa ariary) no vidin’ny iray izany hoe misy elanelam-bidy 163.446 euros (450 tapitrisa ariary) izay azo adika tsotra izao ho “surfacturation”. Toa efa voaloa anefa ny vola. Koa natao hakana tombony indray ve izany ireto helikoptera ireto, na tsy hampiasaina akory aza ? Dia iza no nahazo tombony tamin’izany ? Ny firenena anefa ity sahirana, indrindra ny ara-bola tamin’ny nampihatonan’ny mpamatsy vola ny fanampiany antsika.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.