Actualités

Helikoptera “Alouette II” Horaisina na tsy hampiasaina akory aza ?


  • Talata 30 Martsa 2010

Fanamby napetraky ny filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, Andry Rajoelina, nandritra ny kabary nataony tamin’ny fifampiarahabana noho ny fahatrarana ny taona tamin’ny volana janoary lasa teo ny hampihenana ny asan-dahalo hatrany amin’ny 60%.

Hoenti-miady amin’izany, dia nampanantena helikoptera efatra ho an’ny zandarimaria ny tenany. Tanteraka ny fampanantenana nataony, ka ny sabotsy 27 martsa teo no natolotra ara-pomba ofisialy ny tafika teny amin’ny BANI teny Ivato ireo helikoptera efatra ireo, na dia fandraisana vonjimaika ihany aza satria toa misalasala amin’ny hampiasana ireo fitaovana ireo ny eo anivon’ny foloalindahy. Mety ho izany no ahitana fa mbola vazaha no manamory ireo helikôptera ireo, ankoatra ny mpanamorin’ny helikôptera nampiasain’ny fitondrana nandravana ny hetsi-bahoaka sy nanaparitahana olona teny Mavolo ny 10 aogositra 1991. Mety ho izany koa angamba no nampisento tokana narahina mari-pamantarana amin’ny anaran’ny ray sy ny zanaka ary ny fanahy masina nataon’ny Minisitry ny fiarovam-pirenena Noel Rakotonandrasana sy ny komandy ambonin’ny zandarimariam-pirenena, ny jeneraly Razafindrakoto Bruno raha nivoaka ny helikôptera taorian’ny sidina andrana nataon’izy ireo niaraka tamin’i Andry Rajoelina.

Araka ny fanazavana, dia vola mitentina “750.000 euros” no nambara fa lany tamin’ny fividianana ireto helikoptera ireto, ary orinasa Malagasy, ny “Madagascar Helicopter”, izay mifandray amin’ireo orinasa any ivelany no nahazo ny tolo-bidy. Mahazaka olona dimy ny helikoptera iray miaraka amin’ny mpanamory, ary mahavita sidina ora telo sy sasany tsy miato raha feno ny solika. Mahatratra hatrany amin’ny 150 km isan’ora ny hafainganam-pandehany. Marika Alouette IISB 61 C ireto helikoptera ireto.
Ankoatra ny ady amin’ny asan-dahalo, dia hampiasaina amin’ny ady amin’ny doro tanety sy ny fikajiana ny tontolo iainana ihany koa ireto serasera ana habakabaka ireto, ary mety hampiasaina ihany koa amin’ny fifidianana. Hampiasaina ihany koa izy ireo amin’ny vonjy voina. Ny manaitra dia tsy mipetraka ao amin’ny “hangar”-n’ny miaramila ireto helikôptera ireto fa any amin’ny tsy miankina. Mandeha ny feo fa misy fifanaraham-panofana ka ampiasan’ny GS (Groupe Sipromad) ny “hangar”-n’ny miaramila.
 
Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT