Actualités

HAT – Mpiasan’ny fahasalamana Mihenjan-droa ny tady


  • Alakamisy 08 Aprily 2010

Tontosa omaly alarobia tetsy amin’ny Hjra ny fivoriambe ara-potoan’ireo mpiasan’ny fahasalamana manerana ny nosy araka ny fampiantsoana nataon’ireo mpitsabo mpanampy eto Antananarivo.

Nandefa solontena avokoa ny faritra 20 ankoatra an’Anosy sy Melaky. Fandraisana fanapahan-kevitra momba ny fitohizan’ny tolona sy manoloana ny fandrahonana sazy ataon’ny mpitondran’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita no anton’ny fihaonana. Nisy ny fanambarana navoakan’izy ireo taorian’izany izay novakian’i Tsialofana. «Mikatona avokoa manomboka anio alakamisy ny tobim-pahasalamana rehetra manerana ny Nosy tantanin’ny mpitsabo mpanampy sy mpampivelona, mikatona toy izay koa ireo ivotoerana manofana ho mpitsabo mpanampy 6 ary tsy handray anjara amin’ny herinandron’ny reny sy ny zaza manomboka amin’ny 26 aprily izao izahay raha tsy misy ny vahaolana mialoha io daty io». Nomarihin-dRakotondrasana Jean Valérien moa fa ny 71%-n’ireo tobim-pahasalamana eto Madagasikara dia mpitsabo mpanampy avokoa no mitantana azy. Nampitandrina ihany koa anefa izy ireo fa hisy ny fepetra henjana dia henjana horaisin’ny mpiasan’ny fahasalamana raha sanatria misy iray amin’izy ireo iharan’ny sazy toy ny fangataham-panazavana na tapaka karama. Eo anatrehan’izany fanapahan-kevitra izany anefa dia milaza ho vonona sy misokatra hatrany amin’ny fifanakalozan-kevitra amin’ny mpitondra fanjakana izy ireo.

Tsy hilefitra
Miroso amin’ny fanatanterahany ny fanapahan-keviny koa anefa etsy an-daniny ny fanjakana. Mipetaka eran’ny rindrina eny amin’ireo hopitaly eto an-drenivohitra ny taratasy avy amin’ny fiadidiana ny Praiminisitra lefitra misahana ny fahasalamana izay misy ny sonian’ny profesora Tehendrazanarivelo Alain fa «tsy azo ekena intsony ny mampiasa ny efitranon’ny hopitaly hanaovana fivoriana ary azon’ny lehibe koa no mitazona ireo mpiasa hanohy ny asany raha ilaina izany». Mbola nanambara koa ny Praiministra lefitra nandritra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenen’ny fahasalamana fa tsy hihemotra ny fitondram-panjakana amin’ny fanasaziana ireo mpiasa miziriziry hitokona. Miatomboka amin’ny fandefasana fangatahana fanazavana izany, hoy izy ary miafara amin’ny fanapahana karama raha minia mbola mitokona hatrany ny mpiasa. Andrasana, araka izany, izay ho tohin’ny fifandrinana satria dia mihenjan-droa ny tady.
 
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina Ambohiperivoana
  • Talata 21 Aprily 2026

Mitokona mitaky ny fialan'ny

  • 10 VOLANA ATY AORIANA
  • Talata 21 Aprily 2026

Mbola misitery tanteraka ny raharaha Ambohimalaza

  • FOMBA FANAON’NY TEO ALOHA
  • Talata 21 Aprily 2026

Io fa mitady hiverina ilay hoe : « Merci Président »

  • Kaominin’Ambatomarina
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila angovo azo avaozina,

  • JRP na Jeunes Responsable
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

et Patriote Mitsangana hifanolo-tĂ nana

  • Mponina eny amin’ny Akamasoa
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nametraka fitoriana manoloana

Hijery ny tohiny
FTT