Mitandrina mafy ny mpitsara misahana ilay raharaha fanodinkodinam-bola nitranga tao amin’ny Jirama Toamasina mba tsy hiverenan’ilay fampiatoana mpitsara, toy ny nitranga tamin’ilay raharaha «bois de rose» nitarika fampiantoana filoham-pitsarana roa, dia ny fitsarana ambony sy ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina.
Raha nandeha tsara mantsy ny fanadihadiana savaranonando nataon’ny mpitsara zokiolona mpanao famotorana ny alarobia sy ny zoma lasa teo, dia naato indray izany. Araka ny loharanom-baovao dia vokatry ny fampakarana ny antontan-taratasin’ady any amin’ny lehiben’ny fampanoavana ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina no nampihantona aloha ity fanadihadiana ity, nefa araka ny fanazavana azo ihany dia hitohy izany amin’ity herinandro ity. Ho lava rahateo ny famotorana noho hamaroan’ny voarohirohy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.