Actualités

GTT International Nitory any amin’ny Tribonaly iraisam-pirenena


  • Zoma 16 Aprily 2010

Nitory ireo sivily, olom-piangonana ary miaramila, indrindra ireo mpioko avy ao amin’ny Capsat, nitsikombakomba sy niray petsapetsa tamin’ny fanonganam-panjakana teto Madagasikara ny GTT International.

Dosie mafonja mirakitra fijoroana vavolombelona noho ny herisetra, vono olona, fanolanana, fampijaliana amin’ny endriny samihafa, ireo fisamborana sy fampidirana am-ponja tsy amin’antony Malagasy maro, ny fianakavian’ireo tsy hita popoka miseho amin’ny fanosihosena ny zon’olombelona, no napetraky ny GTT International eo anivon’ny lehiben’ny fampanoavan’ny Tribonaly iraisam-pirenena, araka ny filazana an-gazety nataon’izy ireo ny alakamisy 15 aprily 2010. Nandritra ny 12 volana ngarangidina no nanaovana fikarohana, fanangonana ireo porofo mikasika ny zava-nitranga sy nataon’ny mpanongam-panjakana teto hatramin’ny volana febroary 2009. Ekipana mpitsara ao amin’ny GTT International sy fikambanana samy hafa ary fanomezan-tanan’ireo niharam-boina no nifarimbona tamin’ny fandrafetana ny dosie, izay milanja dimy kilao eo. Mpahay lalàna sy manampahaizana iraisam-pirenena samihafa no miray feo fa feno sady mafonja ahafahana manokatra fanadihadiana iraisam-pirenena ity fitoriana napetraky ny GTT International ity, ary ampy hahafahan’ny Tribonaly iraisam-pirenena mitondra ireo tompon’antoka tamin’ireo heloka bevava samihafa vitan’ireo mpanongam-panjakana eo anatrehan’ny fitsarana. Tsy azo ekena, hoy ny GTT International ny mbola hiriariavan’ny tsy maty manota manoloana ny fahoriana mianjady amin’ny Malagasy izao, ka ny hampitsaharana izany indrindra no nanosika azy ireo hiroso tamin’ity asa goavana ity, ary koa hampanjakana ny lalàna sy tsy hanosihosena ny zo fototra maha olona.

Etsy an-kilan’izay, roa herinandro lasa izao, misy mpisolovava frantsay roa, miara-miasa amin’ny AV7 milaza ny hanao fanadihadiana ary hanao dosie mikasika ny “raharaha 7 febroary” ary hitondra izany amin’ny tribonaly iraisam-pirenena. Ny filoha Marc Ravalomanana anefa tetsy an-daniny dia nilaza fa aleo hisokatra ny fanadihadiana mahaleotena hahitana ny marina momba iny raharaha iny. Dia ho tantara mitohy izany izy ity.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JRP na Jeunes Responsable
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

et Patriote Mitsangana hifanolo-tĂ nana

  • Mponina eny amin’ny Akamasoa
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nametraka fitoriana manoloana

  • Fanasohasoana sy fisolelahana be fahatany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Lasa tsipy hoditr'akondro

  • ANTSIRANANA
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Tsy ampy ny solika, misy sahady ny fanararaotana

  • Eliace Ralaiarimanana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Fitiavan-tanindrazana ny

  • Fiaraha-miasa marolafy
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

amin’ny Rosianina

Hijery ny tohiny
FTT