Actualités

Gadra politika 2009 Mitokona tsy mihinan-kanina ny ao Tsiafahy


  • Zoma 02 Aprily 2010

“ Tsy fantatro isika sy Dada raha mbola hihaona”: tamin-dranomaso no nilazan’ity raim-pianakaviana izany tenin-janany izany, izay voatana am-ponja eny Tsiafahy efa sivy volana izao.

18 lahy izy ireo no nanapa-kevitra fa hitokona tsy hihinan-kanina intsony nanomboka ny talata 30 martsa teo. “Tsy manaiky hotsidihanay na hanateranay sakafo intsony ny havanay, ny vadinay, ny zanakay”, hoy ihany ireo fianakaviana. Telo volana ka hatramin’ny herintaona no nihitsoka teny Tsiafahy izy 18 lahy ireo. Tsy nisy mpijery izy ireo tao anatin’izay fotoana izay, ny ankamaroany dia tsy mbola nandalo famotorana ifotony akory ary dia mazava ho azy mbola tsy nisy nandalo fitsarana na iray aza. Valo volana anefa, raha ela indrindra, araka ny lalàna no fe potoana tokony hitazonana am-ponja vonjimaika ny voapanga, tsy mandalo fitsarana. In-2 isa-kerinandro no itsidihan’ny fianakaviana ireo havany eny Tsiafahy dia ny alakamisy sy ny alahady. Araka ny teny nataon’ireo voapanga voatana eny am-ponja àry dia tsy azo tsidihana intsony izy ireo na koa hanaterana sakafo manomboka izao. “Rehefa amin’ny andro hivoahany vao hihaona izahay”, hoy Rtoa Jeanne izay manana vady mihidy eny Tsiafahy nandritry ny sivy volana. Araka ny fanazavana dia olona tena tapa-kevitra ireo voafonja fa hanao izany fitokonana izany. “Raha sanatria maninona maninona ny havanay, dia tsy miala amin’ireo mpitondra ankehitriny izahay, fa ry zareo no tompon’andraikitra amin’izany. Tsy mila tribonaly izahay, fa avoahay tsy misy hatak’andro ny havanay, tsy hangina intsony izahay”, hoy ihany ireo fianakaviana. Araka ny fanazavana dia hanoratra any amin’ny sehatra iraisam-pirenena, eo amin’ireo fikambanana iraisam-pirenena misahana ny zon’olombelona, ireto fianakaviana ireto. Araka ny fantatra dia tsy ny voafonja politika eny Tsiafahy ihany no hanao fitokonana tsy fihinanana sakafo fa ny eny Antanimora ihany koa. 

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina Ambohiperivoana
  • Talata 21 Aprily 2026

Mitokona mitaky ny fialan'ny

  • 10 VOLANA ATY AORIANA
  • Talata 21 Aprily 2026

Mbola misitery tanteraka ny raharaha Ambohimalaza

  • FOMBA FANAON’NY TEO ALOHA
  • Talata 21 Aprily 2026

Io fa mitady hiverina ilay hoe : « Merci Président »

  • Kaominin’Ambatomarina
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila angovo azo avaozina,

  • JRP na Jeunes Responsable
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

et Patriote Mitsangana hifanolo-tànana

  • Mponina eny amin’ny Akamasoa
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nametraka fitoriana manoloana

Hijery ny tohiny
FTT