Anisan’ny voaresaka tamin’ny tafa fohy nataon’ny mpitondra tenin’ny diplomasia frantsay tamin’ny mpanao gazety ny zoma lasa teo ny fahitany ny sazy nampiharin’ny Vondrona Afrikanina amin’ireo mpitondra Fahefana Avon’ny Tetezamita ankehitriny.
Tamin’izany àry no nilazan’ity mpitondra teny ity fa dia voarain’i Frantsa ny ho fampiharana izany nanomboka ny 17 martsa lasa teo. Na izany aza dia manantena mandrakariva i Frantsa fa tsy mbola lany ny hevitra hisiana fifampidinihana eo amin’ny samy Malagasy. Izany dia ahafahana mamaha haingana ireo sakana ao anatin’ny fandeferana, tenierana, araka izay tohanan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, hoy ihany ilay mpitondra teny izay nanamafy fa tokana ihany ny tanjona na ho an’ny Malagasy na ho an’ny fianakaviambe iraisam-pirenena dia ny ahafahana mamita haingana, araka izay tetiandro voafaritry ny fifanarahan’i Maputo, izany hoe mialoha ny faran’ny taona 2010, ny fifidianana malalaka sy azo antoka. Araka ny fanazavana, dia nahafa-po an’i Frantsa ny ezaky ny zava-bita teo anivon’ny filankevitra misahana ny fandriampahalemana eo anivon’ny Vondrona Afrikanina ary mampirisika hatrany ny fitadiavam-bahaolana efa natomboky ny mpanelanelana afrikanina. Nilaza fa dia hanohy ny ezaka ho amin’izany koa i Frantsa. Momba ny fandalovan’ny rivodoza “Hubert” dia nambaran’ny mpitondra tenin’ny diplomasia frantsay fa dia anisan’ireo nanome tanana i Frantsa. Niantso ny fandraisan’anjaran’ny tafika avy amin’ny faritra atsimon’ny ranomasimbe Indiana na ny Fazsoi i Frantsa niaraka tamin’ny Piroi na ny “plate forme d’intervention régionale” amin’ny vonjy taitra nanoloana ny fahavoazana tamin’ny fandalovan’ny rivodoza “Hubert”.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.