Actualités

Fotodrafitrasa Vita ihany ny lalana mampifandray ny RN7 sy By-Pass


  • Zoma 02 Aprily 2010


An-dalam-pamitana ary hisokatra tsy ho ela ny lalana mampifandray ny lalam-pirenena faha-7 amin’i By-pass. Vokatry ny fiaraha-miasa amin-dry zareo Japoney, araka ny fangatahan’ny filoha Marc Ravalomanana, no nahavitana azy ity. Asa efa tokony ho vita ary nampiasaina nandraisana ny fihaonana an-tampon’ny Firaisambe Afrikanina ny volana jolay 2009 saingy tsy tanteraka noho ny fanonganam-panjakana notarihin’i Andry Rajoelina nitranga teto. Mirefy 3km eo ity halaviran-dalana ity. Lalam-baovao, miainga eo Ankadimbahoaka mipaka any Ankadievo mahazo ny By-pass. Raha ny hita amin’ny takela-pamantarana asa miranty eo Ankadimbahoaka dia nosokajiana ho asa maika, natao mitovy lasitra amin’ny fikojana lalana ireny no nanaovana azy ity, na dia lalam-baovao aza, ary ny Tahiry fikojakojana ny lalana no mamatsy vola ny asa. Nanamafy anefa ireo depiote teo aloha, fa famatsiam-bola avy amin-dry zareo Japoney no nahafahana nanatanteraka io asa io, ho tohin’ny fanamboarana ny By-Pass, natao indrindra handraisana ny fihaonana an-tampony faha-13-n’ny Firaisambe Afrikanina. Ny faramparan’ny taona 2008 no natomboka ny asa, ary tokony ho novitaina ny volana jona 2009, koa mampieritreritra ihany, hoy ireo nanontaniana, raha asa efa nisy loharanom-bola mazava ny fanamboarana azy, no mbola namoahana vola vaovao indray. Nifanindran-dalana tamin’ny fanamboarana ity lalana Rn7 – By pass ity ny fanitarana ny lalana Ivato - Talatamaty ho azon’ny fiara telo indray miaraka ilaharana.

Hamaha ny olana amin’ny fitohanan’ny fiarakodia amin’iny faritra Tanjombato sy Andoharanofotsy iny ny fahavitan’ity lalana mampifandray ny lalam-pirenena faha-7 amin’ny By-pass ity.
 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT