Actualités

Fort Duchesne Poa-basy no nitsenan’ny FIGN ny Praiminisitra


  • Alakamisy 11 Martsa 2010

Mijanona ho kaomandin’ny zandary ny jeneraly Razafindrakoto Bruno Wilfrid. Mitohy ny fanadihadiana momba ny resa-bola 500 tapitrisa ariary.

Miverina amin’ny toerany ny lehiben’ny FIGN ny jeneraly Zafera Bruno satria nolavina ny fametraham-pialany. Ny fanjakana ihany no manana ny fahefana manila amin’ny toerany ny tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny zandary. Foana hatreo ny fanambarana an-gazety ny raharahan-tokantranon’ny zandary, tsy misy ny sazy na famindran-toerana ho an’ireo zandary ao amin’ny FIGN. Ireo raha fehezina ny hevitra tapaka nandritra ny fivorian’ireo manamboninahitra zandary teny Mahazoarivo ny talata hariva lasa teo ka novakian’ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandary, ny jeneraly Ravelomanana Claude nandritra ny famintranam-pihavanana eo amin’ny samy zandary taorian’ny savorovoro nisy teo amin’ny Jeneraly Razafindrakoto sy ireo zandary miasa eo anivon’ny hery vonjy taitra eny Fort Duchesne. Lanonana izay notontosaina tao amin’ny “Cercle Mess” eny Fort Duchesne omaly antoandro.

Tsy nahafa-po ny ankamaroan’ireo zandary eo anivon’ny FIGN izay nangataka ny fanesorana amin’ny toerany ny kaomandin’ny zandary anefa izany ka vao vita ny fanambaran’ny jeneraly Ravelomanana Claude tokony ho tamin’ny 11 ora sy fahefany dia nivoaka ny trano ireo manamboninahitra lefitra ho fanehoany ny tsy fahafaliana ka nihazo ny lakazera. Nandritra ny fiampitan’ireto zandary ireto ny arabe indrindra anefa no nandalo ny fiara mitondra praiminisitra Camille Vital izay tsy afa-nanohy ny lalany fa voatery niandry ny fahalasanan’ireo zandary ireo. Marihina fa ny Praiminisitra no tokony hitarika ny lanonana. Tsy nionona tamin’ny fandaozana ny lanonana anefa ireo manamboninahitra lefitra fa nanapoaka basy sy nihoraka izy ireo raha nisafo ny adian-tafika ny praiminisitra.

Ny kolonely Raymond no nandray fanapahan-kevitra hampitony ireto farany ka nanainga azy ireo hiverina hanome voninahitra ilay famintranam-pihavanana. Ho fanajana ity lehibeny ity sy ny jeneraly Zafera no nambaran’ny iray amin’ireo zandary nidongy ireo ho antony nanekeny hiverina tao amin’ny Cercle Mess. Misy koa ireo nanambara fa mivadika ady mangatsiaka ity raharaha ity rehefa sarontsaronana ny marina. Niato teo amin’ny 15 minitra teo, araka izany, ny lanonana ka rehefa nilamina avokoa ny rehetra vao afaka nandray fitenenana ny Praiminisitra izay nanoritsoritra ny fanajana ny fitsipi-pifehezana sy ny rafitra eo anivon’ny zandary. Nanentana ny hisian’ny firaisankina sy ny fifamelana koa ny tenany. Niatrika ity lanonana ity moa ny minisitry ny filaminana anatiny Rakotomihantarizaka Organès sy ny minisitry ny foloalindahy Rakotonandrasana Noël izay anisan’ny voasarangotra tamin’ity raharaha ity noho izy voalaza fa nandrangaranga ady tamin’ny hery vonjy taitra

 
 
Yves
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT