Actualités

Foloalindahy Tsy mbola milamina tanteraka


  • Zoma 19 Martsa 2010

Na dia tsy nandrenesam-peo firy intsony aza ny avy ao amin’ny FIGN sy ny zandarimariam-pirenena, noho ny baiko sy ny toromarika avy amin’ny lehiben’izy ireo, dia mandeha ny resaka fa tsy mbola milamina tsara ny eny Fort Duchesne eny fa mbola miotrika ny disadisa anatiny ary ahiana hiitatra any amin’ny toby hafa ny disadisa.

Tsy tena fantatra moa ny antony mazava mety mahatonga izany, na mbola resa-bola sy ny fidiran’ny lehibe sasany mpifehy azy ireo amin’ny resaka politika. Na izany aza anefa dia tsy mbola nisy ny filazana fa hanao hetsika ireo miaramila, voalaza fa tsy faly sy mahatsiaro tena voafitaka sy natao fitaovana ireto. Ny eo anivon’ny foloalindahy rahateo dia, tena hentitra ny tenin’ireo lehibe hoe : tsy azo ekena ary handraisana fepetra henjana ny fihetsika tsy voahevitra na mandika ny fitsipika maha miaramila ataon’ireo miaramila sy zandary, na inona na inona mety ho anton’izany. Karazana baomba mety hipoaka tampoka amin’ny fotoana tsy ampoizina anefa ity disadisa anatin’ny foloalindahy ity ary tena hanahirana satria tsy hilamina mihitsy ny firenena, raha ny mitana ny basy sy ny fitaovam-piadiana mahery vaika no misavorovoro.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT