Efa tena antomotra ve ny gidragidra eo aminny samy miaramila ? Izay indray izao no fanontaniana tsy afaka am-bavanny maro taorianny fandrenesana ny vaovao fa nisy manamboninahitra am-polony maro nihaona taminny praiminisitra teo aloha Monja Roindefo sy ny nahafantarana fa mikotrika fisamborana manamboninahitra maromaro ny manampahefana sasany.
Nanampy izay rehetra izay ny fanambaran’ny komanda Roger Luc (RFI Ivato) an-gazety fa misy ny mikasa ny hisambotra azy sy hanao herisetra aminy. Nanamafy moa ity manamboninahitra ity fa tokony hipetraka tsara ireo manamboninahitra mahazo avara-patana amin’ny HAT fa tsy hiroso amin’izany fisamborana izany, fa raha izany no mitranga dia “hahita raharaha ianareo”, hoy ihany izy. Tsy mbola nisy aloha hatreto ny fifandonana na fifanandrinana mivantana, teo amin’ny samy miaramila nitam-basy, fa karazana fifampihantsiana na fampitandremana an-gazety no betsaka. Tahaka izao ny tenin’ny manamboninahitra iray, sendra tafaresaka taminay : «raha ny fahitana azy dia samy matoky tena ireo miaramila amin’ny an-daniny sy ny an-kilany, satria efa misy ny fivakisana fa aleo tsy mandainga amin’izany intsony e ! Ary tsy hisy hihemotra amin’ny foto-kevitra ijoroany ireo, ka raha tsy misy izany ny fifampiresahana mazava eo amin’izy ireo dia tsy maintsy hivadika gidragidra ihany izao ady mangatsiaka izao, satria tsy mahatsindry fo ela , tahaka ny mpanao politika ny miaramila fa efa zatra ‘action’».
Tahaka ny eo anivon’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, dia misy isan’andro ny fivoriana eo anivon’ny foloalindahy, na ho an’ireo tompon’andraikitra ambony izany, na ho an’ireo manamboninahitra sy manamboninahitra lefitra, any anaty lakazerina any. Misy zavatra tsy milamina eo anivon’ny foloalindahy, ary manomboka maharesy lahatra ny maro fa tena misy tokoa ny fikotrehana fanonganam-panjakana any am-badimbadika any. Tsy lavitra izany raharaha rehetra izany ny miaramila, izay efa tafiditra tanteraka amin’ny resaka politika fa tsy nangina any anaty lakazerina tahaka ny fiheverana azy hatrizay intsony. Ka hoy indrindra ny mpanao politika iray tafaresaka tamin’ny Tia Tanindrazana hoe : «raha marina sy mitombina izany rehetra izany, dia efa tena mihozongozona indray izany ny sezan’ireo mpitondra ankehitriny, saingy ny mampiavaka azy tamin’ny teo aloha, ary mety hampihemotra ny firodanany dia ny fahasahiany misambotra sy managadra avy hatrany, na iza na iza fantany na ahiany fa manembatsembana ny fahefany, na avy amin’ny antoko mpanohitra io, na mpitondra fivavahana, na miaramila, na mpianatra, na olon-tsotra sendra nandalo … »
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.