Actualités

Fizahantany Tratry ny krizy koa


  • Alakamisy 15 Aprily 2010


Higadona afaka iray volana eo ny « haute saison » na ny fotoana mampibosesika ny mpizahatany eto Madagasikara. Raha ny fanazavan’ny mpandraharaha iray eo amin’ity sehatra ity anefa dia mety tsy mbola hahatratra ny tanjona, toy ny tamin’ny 2008 izay tena nahamaro ny mpizahatany vahiny isika. Tsotra ny antonym, araka ny nambarany, dia satria tsy mbola milamina eto Madagasikara na eo amin’ny sehatra politika io na ny lafiny sosialy ; mbola malaza ratsy any ivelany ihany koa i Madagasikara, ka tsy dia marisika firy ny hitodi-doha aty ny vahiny. Tena sarotiny amin’ny resaka fandriampahalemana tokoa mantsy ny mpizahatany, ka raha vao misy zavatra tsy azony antoka firy, ao amin’ilay firenena dia tsy tonga ry zareo. Efa nisy ihany ny fanentanana sy karazana hetsika ary fampirantiana, teto an-toerana sy tany ivelany nataon’ny ministeran’ny fizahantany saingy tsy naharesy lahatra ireo vahiny mba ho avy eto Madagasikara izany. Miankina betsaka amin’ny fivahan’ny krizy ny firoboroboan’ny fizahantany indray eto Madagasikara. Marihina, fa hatreto aloha dia mbola ny Frantsay no maro an’isa indrindra tonga eto amintsika, manaraka azy avy eo ny amerikanina, ny alemana ny sinoa.

RTT                                                                          

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JRP na Jeunes Responsable
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

et Patriote Mitsangana hifanolo-tànana

  • Mponina eny amin’ny Akamasoa
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nametraka fitoriana manoloana

  • Fanasohasoana sy fisolelahana be fahatany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Lasa tsipy hoditr'akondro

  • ANTSIRANANA
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Tsy ampy ny solika, misy sahady ny fanararaotana

  • Eliace Ralaiarimanana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Fitiavan-tanindrazana ny

  • Fiaraha-miasa marolafy
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

amin’ny Rosianina

Hijery ny tohiny
FTT