Actualités

Fitrandrahana hazo sarobidy tsy ara-dalŕna : 920 tapitrisa Ariary isan’andro ny vola very


  • Talata 23 Martsa 2010

Manodidina ny 460 000 dolara na 920 tapitrisa Ariary isan’andro ny vola mihodina avy amin’ireo hazo sarobidy toy ny varongy sy ny andramena (bois de rose), araka ny tatitra navoakan’ny Global Witness sy ny Environmental Investigation Agency na ny EIA tamin’ny volana novambra 2009.

Ireto sampandraharaha vahiny ireto indray no taitra sy dodona miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ary ireo mpandraharaha handray andraikitra manoloana ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ireo hazo sarobidy eto amintsika. Ampahany kely amin’io vola io monja no mipetraka eto amintsika, araka ny tatitr’izy ireo. Nanoratra taratasy tany amin’ny tale jeneralin’ny orinasam-pitaterana an-dranomasina frantsay Delmas, ny Global Witness sy ny EIA hampiato tanteraka ny fandefasana hazo sarobidy, izay saika any Chine no fandefasana azy. Ny 11 martsa lasa teo no tonga tao Vohémar ny sambo iray antsoina hoe “Kiara” hitondra “bois de rose” an-jatony taonina. Tsy nihambahamba ireo fikambanana ireo nilaza fa manamora ary mampirisika ny fanimbana ny ala eto Madagasikara ny zavatra hataon’ny orinasa Delmas. Manoloana izany indrindra dia mampaneno lakolosy ny Global Witness sy ny EIA ny amin’ny tokony hampitsaharana tsy misy fepetra ny fitaterana hazo sarobidy avy aty Madagasikara. Nambarany fa avy ao amin’ny valan-javaboarim-pirenena Masoala izay voasokajy ho anisan’ny vakoka iraisam-pirenena sy ireo faritra arovana any amin’iny tapany avaratra atsinanan’ny Nosy iny no akana ireo hazo sarobidy ireo.

 «Tsy manana finiavana politika hanara-maso sy hifehy ny varotra hazo sarobidy ny governemanta tetezamita ankehitriny izay tsy manam-bola ihany koa», hoy i Reiner Tegtmeyer avy amin’ny Global Witness. Efa hatramin’ny taona 2006 no voarara tanteraka ny fitrandrahana hazo sarobidy teto amintsika kanefa ankehitriny dia dia ireo mpiasam-panjakana no manome fahazoan-dalana fitrandrahana tsy ara-dalàna. Raha miara-dia amina mpitrandraka tsy ara-dalàna ny orinasa toa an-dry Delmas, araka ny fanazavana dia ho potika tsy ho ela ny ala rehetra eto Madagasikara. Amin’ny ankapobeny dia any Chine no mivantana ny hazo sarobidy Malagasy. Misokatra ho an’izany tsena izany koa anefa ny amerikanina sy ny eoropeanina. Ny an-dry zareo Amerikanina moa dia voararan’ny lalàna mihitsy ny famarotana hazo sarobidy tsy ara-dalàna. Nandefa fanairana sy fanaraha-maso tamin’ny mpanao gitara amerikanina Gibson ny fanjakana amerikanina satria voalaza fa nampiasa hazo sarobidy avy aty Madagasikara ity orinasa ity nanamboarana gitara. Tsara ny manamarika fa tamin’iny taon-dasa iny dia in-3 no nanondrana hazo sarobidy avy aty Madagasikara ny orinasa Delmas.

 Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT