Actualités

Fitokonan’ny Paramed Nahita tetika hamonoana azy ny HAT


  • Talata 06 Aprily 2010


Na dia teo aza ny fanomezan-toky dia kely ihany ny finoana fa hanatanteraka ny fitakiana ka hanome valiny mahafa-po ireo Paramed ny fitondrana tetezamita, raha ny fahitan’ny mpiasan’ny fahasalamana sasany azy satria hita fa toa miezaka ny mandany fotoana ny manampahefana fa tsy tena manome valin-teny mazava. Resaka manjavozavo hatrany no re hatramin’izay. Ary ny nanaitra aza tato ho ato dia misy toeram-piofanana, mandefa dokambarotra amin’ny fahitalavitra, milaza fa manofana mpampivelona sy mpitsabo mpanampy, izany hoe raha tsorina dia manofana olona ho Paramed rehefa avy eo. Mety hoe toeram-panofanana tahaka ny rehetra efa misy ihany izy io, saingy na izany aza, dia natao toto afo ilay dokambarotra, ary nohamafisina tsara fa mitovy lenta amin’ny mari-pahaizana avoakan’ny oniversitem-panjakana (homologué) ny mari-pahaizana raisin’ireo mpianatra mivoaka avy ao, no sady eken’ny minisiteran’ny fahasalamana sy ny minisiteran’ny asam-panjakana.

Raha tsorina ny resaka, azo raisina ho mpiasam-panjakana ka hiasa eny anivon’ireo hopitalim-panjakana misy mitokona tato ho ato izay ny olona nahavita fiofanana amin’io ivotoerana io. Misy azy avokoa ary ahafahana misoratra anarana sy mandranto ny fianarana ny eto Antananarivo, Toamasina, Fianarantsoa ary Mahajanga. Ny feo rahateo efa nandeha, fa tsy  hanaiky mihitsy ny fitakian’ny Paramed ny Fahefana Avon’ny tetezamita ary hanomboka hanasazy amin’izay ireo mbola mitokona sy tsy mety miasa, mety hiafara amin’ny fandroahana mihitsy aza izany, ary hotanterahana ato anatin’ny fotoana fohy, araka ny resaka mandeha ihany. Ireo izay mazoto ny hiasa moa dia tsy hailika, fa hanohy ny asany mandra-pahatongan’ireo Paramed vaovao izay. Ka mipetraka ary eto ny fanontaniana hoe, mety hisy akony amin’ny hetsiky ny Paramed ve izany, iza no handefitra voalohany? Ny olana ho an’i Andry Rajoelina sy ny fitondrana tetezamita koa anefa dia izao : vantany vao manaiky ity fitakiana ity izy ireo, dia ho avy ny karazana fitakiana marobe, izay azo antoka fa tsy zakan’ny Fahefana Avon’ny tetezamita, izay efa tsy ampy vola intsony ny fanatanterahana azy. Tsy tokony hahagaga, araka izany raha tsy manaiky milefitra mihitsy ny mpitondra fanjakana, satria handavaka ny fasana hilevenany izy raha vao manaiky foana ny fitakiana manomboka mipoitra etsy sy eroa. Eo am-pahitana ny vahaolana aloha, dia fantatra fa mbola hanohy ny fitakiany hatrany ireo Paramed.

RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT