Actualités

Fitaterana an-tanety Mandrahona hitokona ireo zotra rezionaly


  • Alarobia 17 Martsa 2010

Nirodorodo teny amin’ny birao fiasan’ny ATT na ny sampandraharaha miadidy ny asa fitaterana an-tanety ireo mpitatitra avy amin’ny zotra nasionaly sy rezionaly omaly antoandro.

Fangatahana fanafoanana ireo fepetra noraisin’ity sampandraharaha ity momba ny fandaminana ny asam-pitaterana izay ambaran’ireto mpitatitra fa tsy zakan’ny fahefa-mividiny no antony. Nisy ny fihaonana tamin’ny Tale jeneralin’ny ATT izay nanambaran’izy ireo ny hetahetany. Nitondra teny ireo mpitatitra amin’ny zotra nasionaly, i Irsade izay filoha lefitry ny kaoperativa Aotravo. « Mangataka ny fampiatoana ireo naoty sy teny mita izay mandrara ny fahafahan’ny mpitatitra mifindra kaoperativa izahay satria matoa ireny mpandraharaha ireny misafidy ny hifindra toerana  dia manana ny antony izy. Ankoatra izay dia tokony havela halalaka ny fahafahana mampiasa fiara amin’ny zotra Antananarivo sy Toamasina ary foanana koa ny lalàna manambara fa fiara latsaky ny 10 taona ihany no afaka miasa amin’ireo lalan-dratsy toa an’i Antsiranana, Vangaindrano ary Morondava ». Niaiky moa ity filohan’ny kaoperativa Besady ity fa ilaina tokoa ny lalàna mandrindra ny asa fitaterana saingy tsy mifanaraka amin’ny vanim-potoan’ny krizy ankehitriny ireo fepetra noraisin’ny fanjakana ireo fa mamono ny mpitatitra. Ho an’ny zotra rezionaly indray dia mahatsapa tena fa ataon’ny mpitondra fitaovana fitadiavam-bola fotsiny izy ireo.

Ny fametrahana fitantanana mitovy ny samy mpitatitra no angatahany : «Andoavam-bola avokoa  ny «licence» sy fahazoan-dalana manokana ankehitriny kanefa maimaimpoana avokoa ireo ho an’ireo mpitatitra eto an-drenivohitra. Izy ireo anefa efa mahazo famatsiam-bola manokana avy amn’ny fanjakana. Tokony hampitoviana avokoa rehefa mpitatitra », hoy Razanadrasoa, filohan’ny FIKOFIAF. Nanamarika ny mpitambolan’ny UCTRV,  Randrianjanahary Solofoniana fa tsy mahazo «licence» ny tompon’ny fiara raha tsy mahaloa ny vola takiana aminy. Ankoatra ireo dia takian’izy ireo koa ny fanafoanana ny «Union des Contrôles des Véhicules»  sy ny «Commission mixte» izay ambarany ho tsy mandeha amin’ny laoniny ny asany fa fandaniam-panjakana fotsiny. Ny «Union des Contrôles des Véhicules» moa no rafitra misahana ny fanaovana «contre visite» ireo fiara raha ny fandaminana ny toeram-piantsonana kosa no anjara asan’ny «commission mixte». Manambana fitokonana ny 18 sy 19 martsa izao ireto mpitatitra amin’ny zotra rezionaly ireto raha tsy voavaly ny fangatahany. Noraisin’ny Tale jeneralin’ny ATT izy ireo omaly tolakandro saingy tsy nisy ny hevitra tapaka. Anio maraina no hanao fanambarana ofisialy momba ny fanapahan-keviny ity sampandraharaha ity.

 
 
Yves   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT