Nihetsika, nidina an-dalambe ny mpinatry ny oniversiten’Antsiranana ny talata 13 aprily 2010, mitaky fanampim-bola hanefana ny vatsim-pianaran’izy ireo. Efa hatramin’ny zoma no nitokona tsy nianatra ny mpianatra tao, saingy tsy nihetsika tao amin’ny faritry ny sekoly izy ireo. Nampirongatra ireto mpianatra ireto ka nitarika izao fidinana an-dalambe izao ny fahitan’izy ireo ny fiarakodian’ny polisy nihaodihaody teny amin’ny faritry ny oniversite omaly maraina. Misy vola efa vonona mitentina 105 tapitrisa ariary nalefan’ny ministeran’ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana siantifika ao amin’ny oniversite hoenti-manana ny fanefana io vatsim-pianarana io, saingy tsy ampy 9 tapitrisa ariary izany ho an’ny roa volana. Tsy misy tokotaniny koa ny volan’ny “équipement” izay 6 alina isan’olona eo. Ny ministera mihitsy no mitady hampikorotana ny fampianarana ambony vokatr’io tsy fahampiana io, izay heverin’ny mpianatra ho tsy fahaiza-mitantana. Tototry ny olana ny filohan’ny oniversite manoloana izany ary azo an-tsaina fa tsy fantany intsony izay hataony satria tsy avy aminy ny olana. Andaniny ny ministera tsy te halala fa mila mianatra sy tsy misy grevy eny amin’ny onivesrite no fantany, ankilany anefa ny mpianatra mila vola ary tsy te halala izay olana ara-bolan’ny fanjakana any. Fantatr’izy ireo fa tsy nijaly ny mpiantra tamin’ny fitondrana teo aloha.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.