Actualités

Fisolokiana Mpamokatra sakamalaho voasoloky 6.500.000Ar


  • Alarobia 10 Martsa 2010

Mahazo vahana hatrany ity fisolokiana ity amin’izao. Mafy tokoa ny fiainana, ka maro ireo manao izay fomba rehetra ahitam-bola.

Tamin’ity indray mitoraka ity dia lehilahy sy ramatoa iray no tonga tany Beforona-Moramanga, tamina vehivavy iray mpamokatra sakamalaho. Fantatra moa fa ny famokarana sakamalaho no tena mampalaza ity faritra ity. Nilaza ary izy ireo tamin‘ity mpamokatra fa hisy hividy aty Antananarivo ny vokany.

Raikitra ny varotra rehefa nifampiresaka, ka dia tapaka fa vantany vao tonga aty Antananarivo dia haloa ny vola. Natoky ny tompon’entana ka ny Alatsinainy 08 martsa teo no tonga teto niaraka tamin’ny entana. Teny Andohatapenaka no navantana ireo entana ireo. Nony tonga anefa ny entana, dia tsy nisy akory ny vola fa nasaina niverina ny ampitso maraina ilay tompon’entana. Niverina ity ramatoa ny ampitson’iny ka akory ny hagagany tsy nahita ny entany intsony. Nony nanontany ny manodidina izy, dia nilaza ireo fa efa notaomina ny alina ihany ireo entana ireo nankeny Anosibe. Hita teny tokoa ny entana. Ny tompon’entana moa tsy nanaiky fa nitaky ny volany, ary ireo mpividy kosa tsy nanaiky hamerina ny entana. Voatery nampakatra ny raharaha teny amin’ny fitsarana ny tompon’entana, ka mpivarotra efatra no efa nandalo fampanoavana. Ho hita eo ny tohin’ity raharaha ity.

Rabe

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT