Actualités

Filankevi-panjakana Lasa resabe ny fanendrena an-dRamilison Max


  • Talata 13 Aprily 2010

Nandray ny asany omaly ny filoha vaovaonny Filankevi-panjakana, ny mpitsara Ramilison Max izay nisolo toerana ani Noro Robison Elisabeth.

Tontosa omaly alatsinainy 12 aprily teo amin’ny Fitsarana tampony Anosy tokoa mantsy ny fianianany ho amin’izany toerana izany, izay notronin’ny minisitry ny fitsarana, Razanamahasoa Christine sy ny tompon’andraikitra ambony ao amin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita. Ny Filankevitra ambon’ny mpitsara no nanolotra azy amin’io toerana io ary nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ihany koa izany. Nanamafy izany ny mpanolotsaina manokan’i Andry Rajoelina, izay nanambara fa lojika ny fanendrena an-dRamilison Max amin’ny toerany noho izy mpitsara am-perinasa ambony grady indrindra eo amin’ny filankevim-panjakana sy ny noho ny fananana traikefa maro momba ny resaka fitantanan-draharaha sy ny fanaovan-dalàna. Tsy marina koa, hoy izy ny filazana fa misy ambadika politika sy natao hiaro ny tombontsoan’ny fanjakana ny fanendrena ny filohan’ny filankevi-panjakana vaovao satria ireo mpitsara no nifidy azy fa tsy ny fanjakana akory.

Nialoha io lanonam-pitsarana io dia nametraka fitoriana roa sosona, dia ny hanafoanana sy ny hampiatoana ny fampiharana ny didim-panjakana manendry ity filoha vaovaon’ny Filankevi-panjakana ity ny ankolafy telo. Araka ny fanazavan’ny mpisolovava, Rakotomavo Hanitra dia samy nametrahana ny fitoriana na eo anivon’ny Fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana na teo amin’ny Filankevi-panjakana. Nambarany ny tsy maha ara-dalana ny fanendrena ity filoha vaovaon’ny Filankevi-panjakana ity noho ilay mpitsara tsy amperin’asa teo anivon’ny Filankevi-panjakana na Fitsarana tampony tamin’ny fotoana nanendrena azy. Araka ny fanazavana nataon’ny mpisolovava Hanitra Rakotomavo ihany dia tokony nihantona avy hatrany ny lanonam-pitsarana nametrahana ity filoha vaovaon’ny filankevi-panjakana ity vantany vao tafapetraka ny fitoriana. Manginy fotsiny dia misy ireo dosie maromaro efa andalam-pandinihana tokony ho faranan’ny natomboka azy teo aloha.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • Gérard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • Fiaraha-miasa
  • Zoma 17 Aprily 2026

MEDD-Durrell Madagascar Hampiasa “drones”

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT