Araka ny vaovao navoakan’ny mpitandro ny filaminana dia misy rezervista ny sasany amin’ireo niketrika ny fanonganam-panjakana nomanina hotontosaina ny alin’ny alahady 18 aprily lasa teo. Nanamarika anefa ny fikambanan’ireo rezervista nanohana an’i Andry Rajoelina tamin’ny tolona nataony tamin’ny taona 2009 fa tsy anisan’ny mpikambana ao amin’ny «Association des Anciens Militaires» ireo voasambotra ireo. «Miisa 1531 ireo rezervista ao amin’ny ‘Association des Anciens Militaires’ misy anay saingy tsy ao anatiny ry zalahy tratra saika hanafika lapam-panjakana ireo rehefa nojerena akaiky. Mihevitra izahay fa mety ho rezervista nanampy an’i Marc Ravalomanana tamin’ny raharaha 2002 ireo na koa mpikarama an’ady mihitsy», hoy i Randrianasimanana Jean Solo, filohan’ny «Association des Anciens Militaires». Nampiany koa fa tsy ho roboka amin’ny famadihana ny filohan’ny FAT ankehitriny ireo miaramila fahiny niara-mitolona taminy tamin’ny taon-dasa satria efa manana fifanarahana amin’ny ministeran’ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fandraisana anjara amin’ny hetsika «Task Force» any amin’ny faritra avaratra sy avaratra atsinanan’ny Nosy izy ireo. Aminy koa dia lasa fitaovana ampiasain’ny mpanao politika ny rezervista ka mitaona azy ireo ny tenany tsy hanaiky horebirebena amin’izany. Notsiahiviny koa fa amin’ny maha miaramila mpiandry ny rezervista dia rehefa miantso ny fitondram-panjakana izay vao tokony hamaly izy ireo.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.