Sambany teto amintsika no misy fikambanana tsy miankina hanorina ivotoerana andraisana ireo mpiandry marary lavi-podiana na avy any amin’ny faritra ihany koa.
Ny fikambanana Anyma na Arovy Ny Marary no hisantatra izany izay hanatontosa ny tetikasany etsy Andrefan’Ambohijanahary. “Hitsinjovana ireo olona mipetraka lavitra no anton’ny tetikasa satria mampahonena ny zava-misy. Iaraha-mahalala fa mety maharitra an-taonany ny fitsaboana ny homamiadana kanefa tsy maintsy miverina aty an-drenivohitra 2 na 3 andro isam-bolona ny marary mitsabo tena. Raha hody isaky ny hariva anefa ilay marary sy ny mpanaraka azy dia tsy ho vita ny hiverina aty an-drenivohitra noho ny halaviran-tany sy ny enti-manana”, hoy ny profesora Rafaramino Josoa Florine, filohan’ny Anyma. Noho ny fokontanin’Andrefan’Ambohijanahary akaikin’ireo hopitaly lehibe sy afovoan-tanàna kosa no isafidianana ny fananganana ny fotodrafitrasa ao an-toerana raha ny fanazavany ihany. Amin’ity herinandro ity moa no manomboka ny asa fandrodanana ny trano teo aloha ka rehefa tontosa izany dia hiroso amin’ny fanorenana vaovao ny fikambanana. Amin’ny faran’ny taona 2011 kosa no heverina hisokafan’ity ivotoerana ity. Hatramin’izao dia ny antsasa-manilan’ny enti-manana no efa vonona izay azo avy amin’ny hetsika fitadiavam-bola sahanin’ny fikambanana sy ny famatsiam-bolan’ny vondrona eoropeanina. Tsy nanambara ny totalin’ny tetibola ilaina sy ny firafitry ny trano ary ny isan’ny olona zakany kosa ny profesora Rafaramino Josoa Florine. Nanome toky kosa anefa ny tenany fa ho mora lavitra noho ny hofan’ny hotely ny sarany alaina amin’ireo mpampiasa rehefa misokatra ilay ivotoerana. “Hararaotina ny fahatongavan’ireo mpiandry marary hanomezana torohevitra sy fampianarana ireo reny momba ny sakafon’ny zaza sy ny lafiny fitandroana ny fahadiovana.”
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.