Actualités

Fikambanan’ny mpaka sary eto Madagasikara : Tsy tara amin’ny fivoaran’ny teknôlôjia


  • Sabotsy 27 Martsa 2010

Tsy tara amin’ny fivoaran’ny teknolojia ny fikambanan’ny mpaka sary eto Madagasikara na ny AMIPHON.

Hiroso amin’ny fitrandrahana ny mikasika ny nomerika izy ireo ato ho ato raha efa voafolany tanteraka ny arzantika. Ny mba hahafahan’ireo mpikambana ao amin’ny Amiphon miisa 430 isa manerana ny Nosy milalao ny sary amin’ireo karazana teknolojia avo lenta no tanjona, hoy Randriamazoto, filohan’ny fikambanana. Ankoatra ny mpikambana dia hahazo fiofanana ihany koa ny olon-tsotra izay hosantarina any Morondava ny 23 ka hatramin’ny 27 Aogositra ho avy io. Tafiditra ao anatin’ny fankalazan’ny fikambanana ny faha-20 taona niorenany ny hetsika arahin’ny fanokafana tranokalam-pifandraisana vaovao. Raha tsiahivina dia tamin’ny 28 mey taona 1990 no niorina ny fikambanana. 14 lahy mianaka ireo nanorina ny fikambanana teny am-piandohana nahitana an’Itompokolahy Ramilijaona mpanoratra sy mpaka sary malaza… Voatazona ny tarigetran’ny fikambanana hatreto dia fivoizana ny fahendrena Malagasy ao anatin’ilay fanahy mahaolona sy ny fampivelarana ny mpikambana eo amin’ny lafiny haitao sy hairaha. Fikarakarana fifaninanana sary ho an’ny daholobe no hanokafana ny fankalazana ny 20 mey ho avy io. 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT