Actualités

Fifidianana sefo fokontany : Diso paika ny TGV


  • Alarobia 24 Martsa 2010

Saika ilay fifidianana filoham-pokontany natao ny 7 sy ny 14 martsa teo tao Toamasina, no nanehoan’ny antoko TGV Toamasina ny heriny, tao amin’ity renivohitr’i Betsimisaraka ity.

Diso tetika anefa izy ireo. Ireo efa fantatry ny olona sy nahavita be teo anivon’ny fiarahamonina ihany mantsy no naverin’ny vahoaka teny anivon’ireo fokontany nisy azy. Nambaran-dRasamimaka Mahefalahy, mpandrindra ny ankolafy Madagasikara sy mpitarika ny ankolafy Ravalomanana ao Toamasina, fa “tsy mitombina ny filazan’ny lehiben’ny Faritra Atsinanana raha nilaza fa azon’ny TGV avokoa ny toerana 97 amin’ny filoham-pokontany ao Toamasina”. Raha natao anefa ny fanisana farany dia ny toerana 88 amin’ireo filoham-pokontany dia azon’ny TIM, izay efa filoham-pokontany teo aloha avokoa, ary ny ambiny 50 amin’ny fokontany 138 dia azon’ny Arema sy ny MTS ny ankamaroany. 10 eo no azon’ny TGV Toamasina tamin’ireo filoham-pokontany ireo raha misy”. Hita izany, hoy hatrany ity mpitarika politika ity fa “maro ny mamahan-dalitra sy manao tatitra diso amin’ity lehiben’ny faritra ity, ireo mpiara-miasa sy ny mpanolotsainy manokana ao, ka mahatonga azy hilaza ny tsy misy tahaka izao”.

Mikasika ity fifidianana sefo fokontany tao Toamasina I ity dia nilaza i Alain Mahavimbina, raha nitafa amin’ny mpanao gazety vitsivitsy teto an-drenivohitra, fa biletà tokana no nampiasaina. Ny zava-nisy anefa dia vato misaritaka no hita tany amin’ny biraom-pifidianana ny 7 sy 14 martsa teo, ary isan’ny nandatsa-bato tamin’izany ny lehiben’ny faritra Atsinanana. Toy fanao hatrizay dia nampiasaina ny valopy sy ilay vata mangaraharaha teo aloha. Samy nikarakara ny biletany ny kandida tsirairay nandritra ny fifidianana, afa-tsy ny kandida Tgv izay namboarina manokana teny amin’ny faritra Atsinanana. Raha atao ny kajy dia mila vatom-pifidianana tsy latsaky ny 3.000 eo ny kandida iray. Manodidina ny 50.000 ariary teo no lanin’ny kandida iray teo amin’ny fanotana ny bileta sy ny afisy fotsiny, tsy ao anatin’izany ny fandaniana hafa amin’ny fampielezan-kevitra izay mampiakatra ny vola nivoaka hatramin’ny 100.000 ariary farafahakeliny raha atambatra avokoa.
Ankoatra izay, natao ny alatsinainy tolakandro teo, tao amin’ny biraon’ny distrikan’i Toamasina I tao Mangarano II ny fametrahana ara-pomba ofisialy ireo filoham-pokontany 138 tao Toamasina ireo. Ny lehiben’ny faritra, Alain Mahavimbina, sy ny misahana ny lafitany, Talata Michel, ary ny lehiben’ny distrika Toamasina I, no nametraka izany.
 
 
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT