Actualités

Fiarovana ny tontolo iainana Afa-baraka tany Gabon indray ny Malagasy


  • Alarobia 14 Aprily 2010


Nandefa solontena tany Libreville renivohitr’i Gabon ny Fahefana Avon’ny Tetezamita ny 25 martsa 2010 teo. Delegasiona notarihin’ny Tale jeneralin’ny ala eo anivon’ny minisiteran’ny tontolo iainana, nanatrika fivoriana mikasika ny fiovaovan’ny toetr’andro ateraky ny fahasimban’ny tontolo iainana na ny REDD «Réduction des Emissions de la Déforestation et de la Dégradation», izay tokony hahazoana vola hiarovana ny ala. Rehefa tonga ny anjara fitenenan’i Madagasikara hiarovany ny dosie momba izany dia navela hanao ny fampahafantarana ny delegasiona lasa tany. Akory anefa ny nitranga fa vao tapitra ny anjara fitenenan’ny Malagasy dia niteny ny solontena alema tamin’io fivoriana io fa tsy hisy hanome vola an’i Madagasikara raha mbola izao ny zava-misy. Fiteny diplomatika ihany io fa ilay fanjakana no tiany holazaina. Nanamafy izay nambarany koa ny solontena espanola izay nisolo tena ny Vondrona Eoropeanina. Vokatr’izany dia nanapa-kevitra avy hatrany ny mpitarika ny fivoriana fa tsy ilaina miaro ny dosie narosony akory ny solontena malagasy fa avy hatrany dia nomena ny firenena manaraka ny fitenenana, ka hoy ilay mpitarika tamin’ny teny frantsay hoe : "bien, on passe au dossier suivant". Tsy nisy nipika an-gazety ny akon’ity dia nataon’ny iraka malagasy tany Gabon ity fa dia nody tsimoramora tsy an-kiteniteny izy ireo.

Loharanom-baovao hafa no manamarika fa vokatry ny krizy mitarazoka eto Madagasikara dia manomboka mangorona entana ny GTZ izay mpamatsy vola be indrindra antsika amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Efa lasa koa ny KFW, ny USAID koa niala tamin’io sehatra io.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JRP na Jeunes Responsable
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

et Patriote Mitsangana hifanolo-tànana

  • Mponina eny amin’ny Akamasoa
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nametraka fitoriana manoloana

  • Fanasohasoana sy fisolelahana be fahatany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Lasa tsipy hoditr'akondro

  • ANTSIRANANA
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Tsy ampy ny solika, misy sahady ny fanararaotana

  • Eliace Ralaiarimanana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Fitiavan-tanindrazana ny

  • Fiaraha-miasa marolafy
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

amin’ny Rosianina

Hijery ny tohiny
FTT